Ny olona miasa amin’ny finoana

Mofonaina anio: Alarobia, faha 02 Septambra 2026

Sal 101.1-8 / Hira 24 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 432

Genesisy 6,9 - 22
9 Ary izao no tantaran'i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin'ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin'Andriamanitra Noa. 10 Ary Noa niteraka zanaka telo mirahalahy , dia Sema sy Hama ary Jafeta. 11 Ary simba ny tany teo anatrehan'Andriamanitra sady heni-doza; 12 dia hitan'Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny lalany avy tambonin'ny tany. 13 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Ny faran'ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin'olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin'ny tany Aho. 14 Koa manaova sambo-fiara ho anao amin'ny hazo gofera; ary hasianao efitrefitra ny sambo-fiara, ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany izy. 15 Ary toy izao no hanaovanao azy: hakiho telon-jato ny lavan'ny sambo-fiara, hakiho dimam-polo ny sakany, ary hakiho telo-polo ny hahavony. 16 Ary hasianao fidiran'ny mazava ny sambo-fiara, ary amin'ny hakiho iray no hahavitanao azy hatreo ambony; ary hasianao varavarana ny rindrin'ny sambo-fiara ; hataonao efitra telo mifanongoa izy. 17 Ary, indro, Izaho efa hahatonga ny safo-drano ambonin'ny tany handringana ny nofo rehetra izay manam-nofonaina ambanin'ny lanitra; dia ho faty izay rehetra eo amin'ny tany. 18 Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin'ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao mbamin'ny vinantonao vavy miaraka aminao. 19 Ary ny zava-manan'aina rehetra, dia ny nofo rehetra, hitondranao roa avy isan-karazany ho ao anatin'ny sambo-fiara, hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo. 20 Ny vorona, samy araka ny karazany avy; ary ny biby, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy, dia, roa avy samy araka ny karazany avy, dia roa avy isan-karazany no hankeo aminao hovelomina. 21 Ary analao ho anao ny zavatra rehetra izay mety ho fihinana, ka angòny ho eo aminao; dia ho fihinana ho anao sy ho an'ireo koa izany. 22 Dia nataon'i Noa izany; araka izay rehetra nandidian'Andriamanitra azy no nataony.

Ny olona miasa amin’ny finoana:

Ny Soratra Masina anio dia mampahatsiahy an’i Noa, lehilahy iray inay faka tahaka tamin’ny finoana nananany:

1- Olona marina sady tsy misy tsiny…(and.9)

Voalaza fa tamin’ny andron’i Noa dia be ny faharatsian’ny olona zambonin’ny zany. Nalahelo noho izany i Jehovah, ka nanapa-kevitra handringana ny zava-mananaina rehetra. Niavaka tamin’ny olona rohetra anefa i Noa, satria izy dia « Lehilahy marina sady tsy nine ziny teo amin’ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandcha ramin Andriamanitra « (and.9). Midika izany fa olona nastahotra an Andriamanitra izy, ka tsy mba niombona tamin’ny faharatsiana teo amin’ny fiaraha-monina nisy azy izy. Ny finoana dia fanekena co amin’ny fiainana manontolo an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy. Ary izany ihany nohaly lalana tokana hahutonga antsika ho marina sy tsy misy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra ka hahaizantsika miara-mandeha Aminy.

2- Araho izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra

Nasain Andriamanitra hanamboatra sambo-fiara i Noa; tsy inona izany fa fitaovana ahafahana mitsingevana, tahaka ilay fiara zozoro nametrahana an’i Mosesy zazakely mba hamonjena azy. Amin’izany no anchoan’ Andriamanitra ny fanekeny hamonjena an’i Noa sy ny ankohonany tsy ho tratry ny safo-drano. Ary dia notanterahin’i Mosesy an-tsakany sy an-davany izay rehetra nolazain’ Andriamanitra taminy: « Dia nataon’i Noa izany: araka izay rehetra nandidian Andriamanitra azy no nataony. (and.20). Jesna Kristy dia nanatanteraka izay rehetra nanirahan’ny Ray Azy. Ny famclana Azy hanjaka amo am-pontsika no ahafahantsika mankato izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Hatraiza ny fankatoavantika izay lazain’ny Tenin Andriamanitra?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Meteza hiasa amin’ny finoana.

Talata, 1 Septambra 2026

Meteza hiasa amin’ny finoana. 1- Aza mifampiandany (and.1-3) Nisy fizarazarana sy fifampiandaniana tao amin’ny Fiangonana…

Ny mpino mahatoky amin’ny asany

Alatsinainy, 31 Aogositra 2026

Ity resaka momba ny « mamôna tsy marina » ity dia mifamatotra amin’ny fanoharana momba ilay mpitandrina…

Mpino makatoky amin’ny asany

Alahady, 30 Aogositra 2026

Ohabolana 14. 26-31 « …lzay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy: fa ny…