Ny olona manompo an’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alarobia, faha 28 Oktobra 2026
Sal.37. 1-5/HF 25/ Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/HF 37
Salamo 73,21 - 28
21 Raha lotika ny foko, ka voatsindrona ny voako, 22 Dia ketrina aho ka tsy nahalala; eny, biby* teo anatrehanao aho.[Na: hipopotamosy] 23 Nefa izaho dia eo aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tanako ankavanana Hianao. 24 Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin'ny voninahitra aho. 25 Iza no ahy any an-danitra? ary tsy misy et? ambonin'ny tany iriko tahaka Anao. 26 Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin'ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra. 27 Fa, indro, very izay lavitra Anao; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao. 28 Fa, izaho, dia ny ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.Ny olona manompo an’Andriamanitra
1- Mahazaka ny olana misy
« Iza no ahy any an-danitra? Ary tsy misy ety ambonin’ny tany iriko tahaka Anao. » (and. 25).
Nahita ny ratsy fanahy miadana ny mpanao Salamo, ka dia saika solafaka hiala amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Rehefa nandinika anefa izy, dia resy lahatra fa ny fahatokiana an’Andriamanitra no hananana fiainan-danitra ary ny fiainan-danitra no ahazakana ny zava-tsarotra ety an-tany. Ary izany no mahatonga ny olona matoky an’Andriamanitra sy tsy haniry na hitsiriritra ny fahombiazan’ny ratsy fanahy, satria efa manana fiainan-danitra. Fianarana ho antsika i Jesoa Kristy izay nahazaka ny fahoriana rehetra satria efa manana fiainan-danitra, sady natoky ny Rainy tamin’ny zavatra rehetra.
2- Mpandova an’Andriamanitra
« Fa, izaho, dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara; hianao Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko (and. 28)
Ny nofo ama-dra dia mety harary ary mety maty, ny harena sy ny fananan’ny ratsy fanahy dia mety ho simba; fa ny eo akaikin’Andriamanitra no maharitra mandrakizay. Ka na dia hianjera avokoa izao rehetra izao, izay miankina amin’ Andriamanitra no tsy hihozongozona. Ary izany no mahatonga ny mpino tsy hikatsaka intsony ny harena sy ny fahobiazan’ny ratsy fanahy; fa mitoky amin’Andriamanitra. Ka na dia tsy manana na inona na inona aza dia Jehovah no lovany. Ary izany no nahatonga an’i Jesoa Kristy tsy nitadyna nitoky tamin’ny harena tety an-tany satria Mpandova ny Ray.
Fanontaniana:
Ahoana ny fomba hialana amin’ny fialonana ny ratsy fanahy?
Foibe Sampana Sekoly Alahady