Ny niakaran’i Jesoa tany an-danitra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 14 Mey 2026
Sal 24. 1-5 / Hira 150 / Vavaka / Mofonaina /Vavaka / Hira 133.1,4
Lioka 24,44 - 53
44 Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo. 45 Dia nanokatra ny sain'ireo Izy hahalala ny Soratra Masina. 46 Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo; 47 ary mba hotorina amin'ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin'ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema. 48 Ary ianareo no vavolombelon'izany. 49 Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo. 50 Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy. 51 Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra. 52 Ary izy ireo nitsaoka Azy, dia niverina ho any Jerosalema sady faly indrindra. 53 Ary teo an-kianjan'ny tempoly isan'andro izy nankalaza an'Andriamanitra.Ny niakaran’i Jesoa tany an-danitra
1- Manokatra ny saina hahalala ny Soratra Masina
Efa nilaza tamin’ny mpianany i Jesoa talohan’ny nahafatesany fa tsy maintsy ho tanteraka avokoa izay rehetra voalazan’ny Soratra Masina momba Azy ao amin’ny lalàn’i Mosesy sy ny bokin’ny mpaminany ary ny Salamo, dia ny hamonoana Azy sy ny hitsanganany amin’ny maty ary ny hananganany fanjakana vaovao. Mialoha ny hiakarany dia nataony ho zava-dehibe ny nanokatra ny sain’ny mpianany mba hahafantatra ny Soratra Masina, ka hoy izy: « …Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo » (and 46). Hisaraka amin’ny mpianany i Jesoa, koa raha inoana fa momba ny mpianany mandrakariva Izy, dia tsy maintsy ekena sy antenaina fa amin’ny fomba hafa indray no anehoany ny fanatrehany, fa tsy toy izay niarahana taminy fony Izy mbola velona tety an-tany.
2- Mitondra fifaliana
Amin’ny lafiny iray dia fisarahana amin’ny mpianany no azo ilazana ny fiakaran’i Jesoa ho any an-danitra (and.51). Tsy tokony hadinoina anefa fa i Jesoa efa nilaza hoe: « Mahatsara anareo ny fialako…. » (Jao 16.7). Ankehitriny isika dia tsy maintsy mandeha amin’ny finoana, fa tsy amin’ny fahitana. Ny fitoeran’ny Fanahy Masina ao amintsika dia zavatra sarobidy nohon’ny fahitana amin’ny mason’ny nofo. Betsaka ireo olona nahita maso kanefa tsy nino Azy. Ny Fanahy Masina no fanatrehan’i Jesoa ny mpianany sy Fiangonana ankehitriny. Tsy miankina amin’ny asan’ny olombelona ny firaisana amin’i Kristy, fa amin’ny asan’ny Fanahy Masina. Faly ireo mpianatra, na dia nilaozany aza satria nino ny fahamarinan’ny Teny rehetra nolazain’i Jesoa.
Fanontaniana:
Inona no tombontsoa amin’ny fiakaran’i Jesoa ny an-danitra?
Foibe Sampana Sekoly Alahady