Ny mpino mahatoky
Mofonaina anio: Alarobia, faha 12 Aogositra 2026
Sal. 108,1-6 / Hira 16,1.3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira F 6. 2
1 Korintiana 10,1 - 12
1 [Fananarana fandrao misy manaram-po araka ny nofo ka tratry ny loza] Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin'ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina, 2 ary izy rehetra dia natao batisa ho amin'i Mosesy tao amin'ny rahona sy ny ranomasina, 3 ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany, 4 ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin'ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany. 5 Nefa ny ankabiazany dia tsy sitrak'Andriamanitra, fa naringana tany an-efitra. 6 Ary izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika toy ny nilan'ireny. 7 Ary aoka tsy ho mpanompo sampy ianareo tahaka ny sasany amin'ireny, araka ny voasoratra hoe: Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao (Eks. 32. 6). 8 Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin'ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro. 9 Ary aoka tsy haka fanahy ny Tompo* isika, tahaka ny nakan'ny sasany tamin'ireny fanahy Azy, ka matin'ny menarana ireny. [* Na: [an'i Kristy] 10 Ary aoka tsy himonomonona ianareo tahaka ny sasany tamin'ireny, izay matin'ny mpandringana. 11 Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan'ny faran'izao tontolo izao. 12 Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.Ny mpino mahatoky
1. Mahay maka lesona ny tamin’ny lasa (and.1-4)
Nafahana tamin’ny fanandevozana tany Egypta ny Israely. Maro ny fitahiam-panahy lehibe noraisina tamin’ny fiarahana tamin’i Mosesy; noraisina sy niainana izay famantarana ny fahasoavana sy ny Sakramenta. Heverina ho Kristy mihitsy aza no loharano tamin’izany fitahiam-panahy rehetra izany. Tsy mba nisaotra an’Andriamanitra anefa izy ireo fa feno fimonomononana taminy aza. (Nom 11.1). Tsy nahita fitia tamin’Andriamanitra izy ireo noho izany ary maro no maty tany an’efitra.
2. Mila mitandrina (and 5-10)
Mitandrema isika izay efa nandray fahasoavana, tsarovy fa mafy ny famaizana nanjo ireo Jiosy noho ny fimonomononany sy izy ireo tsy nahay nisaotra an’Andriamanitra. Fadio ny zava-dratsy izay nataon’ireo Jiosy ka nahatezitra Azy. Tsy mahavonjy antsika sady tsy ampy ny miombona ao amin’ny Fiangonana fotsiny, raha tsy misy finoana marina. Tsarovy hatrany fa rehefa tsy misy ny fankatoavana dia tsy maintsy ho lavo.
3.Mahaiza mijery fitaratra (and. 11-12)
Voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Soratra Masina avokoa ny tantaran’ny famaizan’Andriamanitra ny vahoakany mba hahazoan’ireo ao amin’ny Testamenta Vaovao, mandray fampitandremana sy mba hahafahan’izy ireo miaro tena amin’ny fahotana sy tsy hialan’ny fahasoavana aminy. Natao ho fananarana antsika ihany koa izany mba hahatsiarovantsika tena, ary mba hahay manetry tena. Rehefa mahay mijery fitaratra isika dia ho afaka miala amin’ny fitondrantena feno tsy fahamarinana sy ny fitiavana izao tontolo izao. Ny fiainana kristiana dia tsy toerana ahafahana mirehareha fa lalana mila fitandremana.
Fanontaniana:
Ahoana no hanehoanao amin’ny manodidina fa miorina tsara hianao?
Foibe Sampana Sekoly Alahady