Ny maha Andriamanitra Azy.
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 07 Novambra 2026
Sal.95,1-5 / Hira 171 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 487 :1.3
Isaia 40,27 - 31
27 Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan'i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan'Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy? 28 Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran'ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany. 29 Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be. 30 Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy; 31 Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.Ny maha Andriamanitra Azy.
Ity dia fampaherezana avy amin’ny Tompo entin’i Isaia Mpaminany ho an’ny vahoakan’lsiraely fony izy ireo babo tany Babylona. Asehony amin’izany ny maha Andriamanitra Azy.
1. Tompon’ny hery
Kivy sy ketraka ary tena reraka ny Isiraely tany am-pahababoana. Toa very fanantenana mihitsy ka nisaina fa toy ny nafoin’ Andriamanitra. Ao anatin’izany no nilazan’ny mpaminany fa mampahatanjaka ny reraka Izy. Ary izany asan’Andriamanitra izany dia mitohy tsy mijanona satria tsy mba toy ny olombelona ka mety reraka na sasatra. Izy ilay Tompon’ny hery, nefa mijery sy mikarakara ireo izay kely hery sy mila vonjy, toy ireto vahoaka very fanahy mbola velona ireto. Mbola notohizan’ Andriamanitra Ray tao amin’i Jesoa Kristy izany asa izany satria ireo nila vonjy nahiliky ny fiarahamonina no nanehoany ny hery sy ny fahefana nentiny namonjena azy rehetra. Mbola tsy miova ny Tompo ka afaka mampahery.
2. Mahalala ny zavatra rehetra
« …tsy takatry ny saina ny fahalalany ». Teny ilazana fa mahalala na dia ny miafina rehetra aza Andriamanitra. Nihevitra tokoa ireto vahoaka fa tsy fantatra, ary tsy hitan’Andriamanitra ny fahoriany ka tsy hainy izay tokony hataony. Tena mahita Andriamanitra, toy ny fahitany sy ny fihainoany ary ny fahafantarany tany am-pahandevozana fony tany Egypta, ka nanirahany an’i Mosesy hanafaka azy ireo. Matoa ny Tompo maniraka ny mpaminany hampahery, dia manaporofo fa ao an-tsainy mihitsy ny hamonjy azy ireto, ary notanterahiny izany. Koa aza maika hanome tsiny an’ Andriamanitra amin’ny zava-mitranga fa tena mihevitra izay mahasoa ny zanany Izy satria mahalala izay mihatra amintsika.
Fanontaniana:
Nahoana no tsy andrin’ny marò ny fotoanan’ny Tompo?
Foibe Sampana Sekoly Alahady