Ny Kristiana mijoro vavolombeloan’i Kristy
Mofonaina anio: Talata, faha 26 Mey 2026
Sal 107.1-6 / Hira 14 /Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 488
Filipiana 1,27 - 30
27 Fa hany ataoko: aoka ny fitondran-tenanareo ho miendrika ny filazantsaran'i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa maharitra amin'ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara, 28 ka tsy ho azon'ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin'inona na amin'inona; fa amin'ireo dia mariky ny fahaverezana izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady avy amin'Andriamanitra. 29 Fa ianareo efa nomena noho ny an'i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy, 30 dia manana izany ady izany ianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny.Ny Kristiana mijoro vavolombeloan’i Kristy
1- Manana fitondrantena mendrika
Manoloana ny fanenjehana tamin’izany fotoana dia mampirisika ny Kristiana i Paoly mba hijoro vavolombelona ka hiaina amin’ny fitondrantena mendrika ny Filazantsaran’i Kristy. Zava-dehibe amin’izany ny firaisam-po sy faharetana amin’ny Fanahy iray hiara-miezaka amin’ny fampandrosoana ny finoana ny Filazantsara. Ny fitoriana tsara indrindra hizarana sy hampaherezana ny finoan’ny hafa dia ny fitondrantena mendrika ny Filazantsara iainatsika Kristiana efa miorina. Ary izany rahateo no miaro antsika tsy hiverin-dalana, ho mariky ny fandrosoana.
2- Tsy matahotra ny fahavalo
Fomba entin’ny mpanenjika ny mpino sy ny fivavahana Kristiana tamin’izany ny fandrahonana sy ny fampitahorana mba hahatonga ny olona hihemotra, ka hiala amin’ny finoana sy fanarahan-dia an’i Kristy. Ny Kristiana vonona sy sahy mijoro vavolombelon’i Krtsy dia tsy matahotra ny endri-pandrahonan’ny fahavalo rehetra, satria matanjaka sy mahery ny finoany, ary manana mpiaro sy mpamonjy izy, dia i Jesoa Kristy.
3-Manaiky izay làlana itondran’ Andriamanitra azy:
Mampahery ny kristiana i Paoly. Ambarany fa tsy ny soa ihany no raisiny avy amin’ny Tompo fa eo koa ny fahoriana. Tsy voatery ho sazy avy amin’Andriamanitra ny fahoriana fa anjara sy voninahitra eo amin’ny fandresena ny fizahan-toera mahamay, toy izay nahazo an’i Joba. Aza kivy raha mandalo fahoriana, matokia an’Andriamanitra. Fa Andriamanitra tsy mandao anao Izy.
Fanontaniana:
Manaiky ny fitondran’ Andriamanitra tokoa ve ianao ka manana fanantenana, na dia mandalo zava-tsarotra aza?
Foibe Sampana Sekoly Alahady