Ny irak’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 23 Jolay 2026
Salamo 16, 7-11 / Hira 8 / Vavaka / Mofonaina / vavaka / Hira FF 33
Lioka 10,25 - 37
25 Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an'i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? 26 Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin'ny lalàna? Manao ahoana no famakinao azy? 27 Ary izy namaly ka nanao hoe: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra (Deo. 6. 5); ary, Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). 28 Ary hoy Jesosy taminy: Marina ny navalinao; ataovy izany, dia ho velona ianao. 29 Fa izy ta-hanamarina ny tenany ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Iza ary no namako? 30 Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon'ny jiolahy, dia nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy, dia nilaozany, rehefa saiky maty. 31 Ary sendra nisy mpisorona anankiray nidina tamin'izany lalana izany; ary raha nahita an-dralehilahy izy, dia nandalo azy. 32 Ary toy izany koa ny Levita anankiray, izay tonga teo, dia nahita azy, nefa nandalo koa. 33 Fa nisy kosa Samaritana anankiray nandeha tamin'ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy, dia onena. 34 Dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny, sady nasiany diloilo sy divay; dia nampitaingeniny tamin'ny bibiny izy, ka nentiny ho any amin'ny tranom-bahiny, dia notsaboiny. 35 Ary nony ampitson'iny, dia naka denaria roa izy, ka nomeny ny tompon'ny tranom-bahiny, sady nanao taminy hoe: Tsaboy izy; ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako, rehefa miverina aho. 36 Iza moa amin'izy telo lahy no ataonao ho naman'ilay azon'ny jiolahy? 37 Ary hoy izy: Ilay niantra azy. Dia hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ka mba manaova toy izany koa.Ny irak’Andriamanitra
1. Mankato ny Tenin’ Andriamanitra (and 25-28)
Nisy mpahay lalana nanontany an’i Jesoa hoe inona no tokony hataony hahazoany ny fiainana mandrakizay. Nampahatsiahy azy i Jesoa fa tokony ho tia an’Andriamanitra sy ho tia ny namany tahaka ny tenany izy. Izany no sitrapon’Andriamanitra tiany iainantsika zanak’olombelona, ary modely ny amin’izany isika kristiana. Notarihin’i Jesoa hankato izay ambaran’ny Soratra Masina ity mpahay lalàna ity. Fa isika kosa no taominy ankehitriny, ho tia an’Andriamanitra amin’ny fontsika, amin’ny fanahintsika, manontolo, ary hitia ny hafa tahaka ny tenantsika. Ny fampanjakana an’i Jesoa Kristy ao anaty no antoka hahatanterahana izany. Raiso Jesoa ary avelao ny Fanahy Masina hitarika anao amin’ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra.
2. Mahafoy ny aminy hamonjena ny hafa (and 30-37)
Nisy olona naratran’ny jiolahy, ka nila vonjy. Nisy mpisorona sy Levita nandalo teo, fa tsy nanampy izany olona naratra izany ireo. Ilay Samaritana kosa, izay tsara fanahy no naneho ny finoany tamin’ny asa ka nanaiky hanampy sy hamonjy azy. Na dia tsy fantany aza ilay olona, na tsy mitovy fiaviana aminy aza, dia tsy nisalasala izy ny hanome tanana azy: « onena izy… » (and 33-34). Ireo no fihetsika nataon’ilay Samaritana; mbola nolazainy tamin’ny tompon’ilay tranom-bahiny koa hoe: « Tsaboy izy, ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako rehefa miverina aho » and 35. Fahafoizan-tena mba hamonjena ny hafa tahaka ny nataon’ity Samaritana ity no andrasan’ny Tompo amintsika.
Fanontaniana:
Ahoana ny fampiharanao ny Tenin’Andriamanitra sy ny fahafoizan-tena ho an’ny hafa?
Foibe Sampana Sekoly Alahady