Ny fankatoavana ny Teni ‘i Kristy

Mofonaina anio: Alahady, faha 12 Jolay 2026

Sal.62. 5-12 / Hira 14 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 303

Lioka 5,1 - 11
1 Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin'Andriamanitra, dia nijanona teo amoron'ny Farihin'i Genesareta Jesosy; 2 ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin'ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony. 3 Ary niditra teo amin'ny sambokely anankiray izay an'i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin'ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka. 4 Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin'i Simona: Mandrosoa ho any amin'ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano. 5 Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato. 6 Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony. 7 Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin'ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika. 8 Ary rehefa hitan'i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho. 9 Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben'ny hazan-drano izay azony. 10 Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin'i Simona. Dia hoy Jesosy tamin'i Simona: Aza matahotra; hatramin'izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao. 11 Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an'i Jesosy.

Ny fankatoavana ny Tenin’i Jesoa Krisy

1- Mampahomby ny asa atao

« Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony » (and. 6)

Nanarato nandritra ny alina ry Simona kanefa tsy nahazo na inona na inona. Rehefa avy nanasa ny haratony izy ireo dia niditra tao an-tsambokelin’i Simona i Jesoa ka nampianatra. Rehefa tapitra ny fampianaran’i Jesoa dia nasainy narotsaka ny haraton’i Simona. Nankato ny Tenin’i Jesoa i Simona ka nahazo hazandrano betsaka. Araka izany, mampahomby ny asa ataon’ny olona ny fankatoavana ny Tenin’i Jesoa. Na efa kivy sy ketraka sy very fanantenana mihitsy aza ianao noho ny tsy fahombiazana, dia ankatoavy ny Tenin’i Jesoa, fa hahazo vokatra mihoatra noho izay noheverinao hianao. Koa ataovy amin’ny fankatoavana ny Tenin’i Jesoa ny asanao.

2- Ahatsiarovan-tena ho mpanota

« Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho. » (and. 8)

Nisy fisalasalana ihany tao amin’i Simona tamin’ny Tenin’i Jesoa hoe « alatsaho ny haratonarco hahazoana hazandrano » (and.4).

Fialana nenina no nataon’i Simona raha nandrotsaka ny haratony fa tsy finoana ny Tenin’i Jesoa. Kanefa rehefa nandrotsaka ny haratony izy dia nahazo hazandrano be dia be. Tsaroan’i Simona ny tsy finoany sy ny maha mpanota azy. Noho izany, ny olona manao ho fialana nenina amin’ny fankatoavana ny Tenin’i Jesoa dia mila manaiky fa mariky ny tsy finoana izany. Kanefa i Jesoa Kristy maneho ny heriny amin’ny fiainan’ny olona ka mampahomby ny asany. Ny fahombiazana vokatry ny tsy finoana an’i Kristy dia ahatsiarovan-tena ho mpanota. Ka mibebaha.

Fanontaniana:

Ahoana ny fomba hialana amin’ny tsy finoana ny Tenin’i Kristy?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny fahazoana ny Soratra Masina

Asabotsy, 11 Jolay 2026

Ny fahazoana ny Soratra Masina 1-Ilàna mpampianatra « Fa hoy izy: Hataoko ahoana ny fahay, raha…

Ny olona mahalala ny sitrapon’Andria...

Zoma, 10 Jolay 2026

Ny olona mahalala ny sitrapon’Andriamanitra 1- Manaiky hiova hevitra « Ary rehefa hitan’i Balama fa sitrak’i…

Ny fampihavanana ao amin’i Kristy

Alakamisy, 9 Jolay 2026

Ny fampihavanana ao amin’i Kristy 1- Asan’Andriamanitra « Fa izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra, izany…