Ny fahavalon’ny fiambenana

Mofonaina anio: Zoma, faha 27 Novambra 2026

Sal 18. 46-50 / Hira 3: 1. 3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 2:1

Lioka 21,34 - 36
34 Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran'ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian'izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. 35 Fa hihatra amin'izay rehetra mitoetra et? ambonin'ny tany rehetra izany. 36 Fa miambena* ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona.

Ny fahavalon’ny fiambenana

« Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany ». (Lioka 21:34). Zavatra telo no lazain’i Jesoa fa manavesatra ny fo ka mampihena na maharava ny fiambenana:

1. Ny filana tsy mahalala onona

Ny hoe «vokatry ny fisotroan-toaka», dia entina milaza ny filana mihoa-pampana, tsy amin’ny zava-pisotro mahamamo loatra ihany no tena lazaina amin’izany, fa ny fanaranam-po amin’ny endriny samihafa mihitsy. Filibana amin’ny fahafinaretana samihafa (hédonisme) Ny fiaraha-monintsika ankehitriny dia fiaraha-monina tia manjifa be (surconsommation). Tandremo!

2. Ny fiankinan-doha

Ny lazain’ny hoe: ny fahamamoana kosa dia ny fiankinan-doha. Tsy ny toaka ihany, raha izany no fantatry ny fiaraha-monin’ny Testamenta vaovao, fa ankehitriny dia betsaka ny miteraka fiankinan-doha ka manandevo ary hanadinoana an’ Andriamanitra: ny tambajotran-tserasera samihafa, ny zava-mahadomelina, ny kilalao…Mahavarimbariana ireny ka mampilatsaka ambany dia ambany ny fiambenana. Aoka ho mailo!

3. Ny fanahiana

Ny «fiahiahian’izao fiainana izao» no fahatelo. Tafalatsaka amin’ny fifandraisana lalina loatra amin’ny zava-misy ny olona sy ny fiaraha-monina. Mampihazakazaka azy avokoa ny tranga rehetra, ka zary foto-panahiana sy tahotra: manahy sao tsy ampy ny vola, manahy sao tsy maharaka ny fivoarana ka tsy mba mitovy amin’ny olona rehetra…. Banjino i Jesoa, dia mivavaha. Mahereza!

Fanontaniana:

Mby aiza manolona ireo voalaza ireo ny fiambenanao?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Ilàna fahavononana ny fiavian’i Jeso...

Alakamisy, 26 Novambra 2026

Ilàna fahavononana ny fiavian’i Jesoa Eo am-piandrasana ny fiveranan’i Jesoa eny amin’ny rahon’ny lanitra: 1.…

Ny mpitondra avy amin’Andriamanitra

Alarobia, 25 Novambra 2026

Ny mpitondra avy amin’Andriamanitra Niavaka indrindra amin’ny mpanjaka teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao i Solomona,…

Ho avy ny fotoana tsy maintsy hihaon...

Talata, 24 Novambra 2026

Ho avy ny fotoana tsy maintsy hihaonanao amin’i Jesoa Ampahatsiahivin’ny mofonaina anio fa ho avy…