Ny faharetana amin’ny vavaka
Mofonaina anio: Alahady, faha 11 Oktobra 2026
Sal 95. 1-5 / Hira 21 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 356. 1, 4
Jeremia 29,10 - 15
10 Fa izao no lazain'i Jehovah: Rehefa tapitra ny fito-polo taona ny amin'i Babylona, dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teniko tsara, ka hampodiko ho amin'ity tany ity ianareo. 11 Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany*.[Heb. farany sy fanantenana] 12 Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho. 13 Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra. 14 Eny, ho hitanareo Aho, hoy Jehovah; ary hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka hangoniko avy any amin'ny firenena rehetra sy avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako anareo, hoy Jehovah, ka hampodiko ho any amin'ilay tany efa nanolorako anareo hobaboina. 15 Fa hoy ianareo: Jehovah nanangana mpaminany ho anay eto Babylona.Ny faharetana amin’ny vavaka
1. Omena ny teny fampanantenana
Taratasy nosoratan’i Jeremia ho an’ireo Jiosy tany am-pahababoana ity mofonaina ity, ampahany tamin’izany izay manambara ny faharetan’ny fahababoana. Nohamafisin’i Jehovah fa rehefa tapitra ny 70 taona vao ho avy ny fizotran’ny tantara dia ny firenena Joda izany; izao no voasoratra «Rehefa tapitra ny fitopolo taona ny amin’ny babylona dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teniko tsara ka hampodiako ho amin’ity tany ity hianareo » (and 10). Zava-dehibe eo amin’ny fiainan’ny firenena Joda tokoa ny fahatanterahan’ny teny fampanantenana nataon’Andriamanitra, ilåna faharetana sy fiaretana anefa izany vao ho tanteraka. Ny faharetana amin’ny vavaka dia manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiandrasana ny teny fampanantenana. Mahareta ary!
2. Heverin’Andriamanitra mandrakariva
« Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza. ». Hita eto amin’ity andinin-tsoratra Masina ity fa Izy no tompon’ny teny farany eo amin’ny tantaran’ny Joda. Na dia teo aza ny fahababoana, Andrimanitra dia manana hevitra hitondra fiadanana ho azy ireo, fa tsy loza. Ny hoavy feno fanantenana no efa nomanin’ Andriamanitra ho an’ny olony, na dia ao anatin’ny mafy aza. Mihevitra antsika Andriamanitra, ary manomana fiadanana ho anao. Tsarovy fa ataon’Andriamanitra tsy mitovy ny manompo Azy sy ny tsy manompo Azy; fa voasoratra hoe « mpanompoko ianao efa nantsoiko ka tsy mba nariako. » (Isa 41.9).
Fanontaniana:
Mahatsiaro ho feno fiadanana tokoa ve izay miaraka amin’ny Tompo?
Foibe Sampana Sekoly Alahady