Miady ho antsika ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 25 Aprily 2026
Sal 23 / Hira 303 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 295
Josoa 10,12 - 15
12 Ary tamin'izany Josoa dia niteny tamin'i Jehovah tamin'ny andro nanoloran'i Jehovah ny Amorita teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ka nanao teo imason'ny Zanak'Isiraely hoe: Ry masoandro, mijanòna* eo ambonin'i Gibeona; Ary, ianao kosa, ry volana, any an-dohasahan'i Aialona.[Heb. mangina] 13 Dia nijanona ny masoandro, ary nijanona* koa ny volana, Mandra-pamalin'ny olona ny fahavalony. Tsy efa voasoratra eo amin'ny Bokin'i Jasara** va izany? Dia nijanona teo afovoan'ny lanitra ny masoandro ka tsy nandroso hilentika tokony ho indray andro maninjitra. [*Heb. mangina][**Jasara = Ilay mahitsy] 14 Ary tsy nisy andro tahaka izany, na tany alohany, na tato aoriany, izay nihainoan'i Jehovah ny feon'olona; fa Jehovah niady ho an'ny Isiraely. 15 Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra dia niverina nankany an-toby tany Gilgala.Miady ho antsika ny Tompo
« Fa Jehovah niady ho an Israely » (and14d)
1-Mampiasa ny zavaboary eo ambany fahefany Izy
« Nandatsaka havandra vaventy ny Tompo » (and 11), nibaiko ny masoandro sy ny volana (and 12). Samy nanaiky ny baikon’ny Tompo ireo. Manana fahefana amin’ny zavaboary rehetra ny Tompo. Manome vahaolana mazava hoan’ny olony Izy ary manasarotra tanteraka ny fiainan’izay mikasa hampahory ny vahoakany.
2-Tsy avelany hiady irery ny mpanompony
Mandray anjara amin’ny ady mihitsy ny Tompo raha ny firafitry ny matoanteny eto no jerena akaiky. Tsy vitan’ny hoe: fantany, hitany, ireo zava-tsarotra atrehan’ny mpanompony fa tena mandray andraikitra Izy. Fampaherezana ho antsika izay manana ady atrehana izany. Na co anatrehan’ny olona izay mandrafy antsika, na manoloana ireo adim-panahy izay miseho amin’ny endriny maro samihafa toy ny fiainan-tokatrano, fitaizana ny ankizy, fivelomana, fahasalamana, ireo asa aman-draharaha isan-karazany… Jesoa dia niditra an-tsehatra tamin’ny famahana ireo olana samihafa nangeja ny olona.
3-Mitondra amin’ny fitahiana mahatretrika Izy
« Ary Josoa sy ny Israely rehetra dia miverina nankany an-toby tany Gilgala » (and 15). Tena fandresena lehibe ny fahafahana miverina soa aman-tsara any an-toby aorian’ny fiatrehana ny ady tamin’ny fahavalo. Naneho zava-mahagaga teo amin’ny mpanompony ny Tompo (and14).
Afaka mampandresy sy manova ny fiaiananao koa Izy.
Fanontaniana
Mahatonga antsika ho mpandresy ny Tompo. Nahoana?
Foibe Sampana Sekoly Alahady