Meteza hiasa amin’ny finoana
Mofonaina anio: Talata, faha 08 Septambra 2026
Sal 91.1-8 / HF 3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 268.1
1 Timoty 4,1 - 10
1 [Ny amin'ny hihemoran'ny sasany, sy fananarana an'i Timoty hazoto hanefa ny anjara-fanompoany] Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia, 2 amin'ny fihatsaram-belatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany, 3 izay mandrara tsy hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon'Andriamanitra ho an'izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin'ny fisaorana. 4 Fa ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin'ny fisaorana, 5 satria hamasinin'ny tenin'Andriamanitra sy ny fivavahana izany. 6 Raha manoro hevitra ny rahalahy ny amin'izany zavatra izany ianao, dia ho mpanompo tsara an'i Kristy Jesosy, tezaina amin'ny tenin'ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao. 7 Fa ny anganongano ratsy fanaom-bavy antitra dia lavo, ka mampiasà ny tenanao ho amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra. 8 Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra no mahasoa amin'ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin'ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa. 9 Mahatoky izao teny izao ka tokony hekena amin'ny fankasitrahana rehetra. 10 Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an'Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino.Meteza hiasa amin’ny finoana
1- Aza mihemotra (and.1-6)
Ny olona mihemotra dia izay efa nino an’i Jesoa Kristy, kanefa niala tamin’izany aty aoriana. Voalazan’ny Fanahy Masina eto ny fisian’ izany (and.1). Isan’izany ireo olona izay nomena fanomezam-pahasoavana sy hosotra manokana tao amin’ny Fiangonana, ka nahavita zava-dehibe teo amin’ny asa fanompoana, saingy niala tamin’ny finoana sy nivily ho amin’ny fampianaran-diso isan-karazany. Efa betsaka ny olona no voafitak’izy ireny ka niala tamin’ny finoana marina. Milaza ny tenany ho nandray « fanambarana manokana » avy amin’ Andriamanitra izy, mba hamitahany ny olona hanaraka ny fampianaran’ny demonia. Ho fiarovana amin’izany dia ilaina ny fifikirana mafy amin’Andriamanitra sy ny fitiavana an’i Jesoa Kristy Tompo ary ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra, eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina.
2-Manana toe-panahy araka an’Andriamanitra! (and.8)
Ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mikolokolo ny finoana sady miaro ny mpino tsy ho tratry ny fihemorana. Izany dia ny fiezahana sy hanaraka ny sitrapon’ Andriamanitra amin’izay rehetra atao; fanoherana ny fakam-panahy amin’ny alalan’ny fanahafana an’i Jesoa Kristy. Izy no ohatra halain-tahaka amin’ny fananana toe-panahy araka an’Andriamanitra. Izay rehetra nandray Azy dia efa nomeny hery ho tonga Zanak’Andriamanitra tokoa, dia izay mino ny Anarany. Ambaran’i Paoly fa mahasoa lavitra raha mitaha amin’ny fampiasan-tena ara-batana ny fananana izany, satria sady manamafy orina ny finoana amin’ny ankehitriny no mampiorina ny fanantenana ny amin’ny ho avy.
Fanontaniana:
Inona no heverinao fa mampihemotra ny olona amin’ny finoana?
Foibe Sampana Sekoly Alahady