Meteza hiasa amin’ny finoana.

Mofonaina anio: Alahady, faha 06 Septambra 2026

Sal 106.1-5 /Hira 5 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 54

Hebreo 11,1 - 13
1 [Filazan-tantara mampiseho ny herin'ny finoana sy ny valiny] Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. 2 Fa izany no nahatsara laza ny ntaolo. 3 Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin'Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao. 4 Finoana no nanateran'i Abela ho an'Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an'i Kaina, ka izany no nanambarana azy fa marina, satria Andriamanitra no nanambara ny amin'ny fanatitra nataony: ary amin'izany, na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany. 5 Finoana no namindrana an'i Enoka tsy hiharan'ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran'Andriamanitra; fa talohan'ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan'Andriamanitra izy. 6 Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy. 7 Finoana no nanamboaran'i Noa sambo fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra ny amin'ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana. 8 Finoana no naneken'i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin'izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany. 9 Finoana no nivahiniany tany amin'ny tany nolazain'ny teny fikasana, toy ny any an-tanin'olona, mitoetra an-day, mbamin'isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy; 10 fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany. 11 Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanan'anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana. 12 Koa dia avy tamin'ny anankiray, izay efa toy ny maty, no nihavian'ny maro toy ny kintana eny amin'ny lanitra sy toy ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy hita isa. 13 Ireo rehetra ireo dia maty tamin'ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tet? ambonin'ny tany izy.

Meteza hiasa amin’ny finoana.

1- Inona moa ny finoana?

« Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. » (and. 1). Ny olona mino dia matoky tsy am-pisalasalana fa tsy maintsy ho azony izay zavatra antenainy. Amin’ny alalan’ny finoana ahazoana antoka ny fiavian’i Jesoa Kristy indray, handray antsika ho any Aminy ao amin’ny fiainana mandrakizay. Ny finoana no porofo fa ekena ho marina ny teny fampanantenana nomen’Andriamanitra.

Ny Kristiana dia manana porofo mahafa-po azy, ary matoky tsy misy fisalasalana fa izay nampanantenain’ny Ray any an-danitra dia ho azony. Ny finoana no ahafantarana fa niteny Andriamanitra dia nisy ny zavatra rehetra (and.3). Ny finoana ananan’ny mpino no maneho ny asan’ Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao.

2- Ireo olona efa niaina tamin’ny finoana (and.4-12)

Tantarain’ny mpanoratra eto ireo olona niaina sy nivelona tamin’ny finoana an’Andriamanitra, araka ny vanim-potoana niainany avy: ny talohan’ny safo-drano ka hatramin’ i Noa (and:4-7), i Abrahama, Isaka, Jakoba (and.8-12). Ireo rehetra ireo dia samy natoky ny teny fampanantenana nomen’Andriamanitra azy, ka nihazona izany hatramin’ny farany, na dia tsy mbola nazava loatra taminy aza. Tsiahivin’ny mpanoratra koa fa vahiny sy mpivahiny isika no ety an-tany (and.13b); ny fiavian’i Kristy handray antsika ho any Aminy amin’ny andro farany no Teny fikasan’Andriamanitra ho antsika. Tian’ny Tompo ho tahaka ireo olona voatanisa ireo isika, ka hanana finoana sy fanantenana ny fiainana mandrakizay izay efa nampanantenain’i Jesoa.

Fanontaniana:

Ahoana ny fomba hiainana ny finoana an’i Jesoa Kristy amin’ny fiainana andavanandro?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Meteza hiasa amin’ny finoana

Asabotsy, 5 Septambra 2026

Meteza hiasa amin’ny finoana Ity Salamo ity dia mitarika antsika hahatsapa ny fikarakaran’ Andriamanitra ny…

Ny asa fitoriana ny Filazantsara

Zoma, 4 Septambra 2026

Ny asa fitoriana ny Filazantsara 1- Manafaka amin’ny herin’ny fahavalo (and 7-12) Ny mpanompon’Andriamanitra izay…

Jesoa manangana ny maty

Alakamisy, 3 Septambra 2026

Jesoa manangana ny maty 1- Mamelona ny finoana sy ny fanantenana Izy (and.25-28) Ao anatin’ny…