Meteza hiasa amin’ny finoana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 07 Septambra 2026
Sal 119.89-96 / Hira 7 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 487.1,3
Marka 11,20 - 25
20 Ary nony maraina, raha nandalo izy, dia hitany fa efa nalazo hatramin'ny fakany ilay aviavy. 21 Ary Petera nahatsiahy ka nanao taminy hoe: Raby ô, indro fa efa malazo ilay aviavy nozoninao. 22 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Manàna finoana an'Andriamanitra. 23 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no hilaza amin'ity tendrombohitra ity hoe: Mifindrà, ka mianjerà any an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa hino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany. 24 Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany. 25 Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan'ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.Meteza hiasa amin’ny finoana
1- Ialao ny fihatsaram-belatsihy
Rehefa niverina avy tany Jerosalema i Jesoa sy ny mpianany, dia gaga ny mpianatra raha nahita fa nalazo hatramin’ny fakany ilay aviavy izay nozonin’i Jesoa. Io no fahagagana nataon’i Jesoa taloha kelin’ny fotoana nijaliany. Manana hevitra mavesa-danja toy izao izany: ny aviavy izay nitadiavana voa nefa tsy namoa dia ny Israely (Jereo Hos 9.10, 16; Mik 7.1). Ho avy ny fitsarana ny Israely satria tsy namoa izy, izany hoe milaza azy ho mpivavaka amin’Andriamanitra, kanefa tsy nety nanaiky an’i Kristy, fa nandà sy nanameloka Azy ho faty teo amin’ny hazofijaliana. Toy izany koa no itsarana izay rehetra tsy mety manaiky an’i Jesoa Kristy, Tompon’ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany. Izay rehetra milaza azy ho mpivavaka, kanefa mandà Azy ka tsy mibebaka dia tahaka ny aviavy mandrobona nefa tsy ahitam-boa; tafasaraka amin’ Andriamanitra velona izy ka tsy maintsy halazo sy ho faty no hiafarany.
2- Manana finoana an’Andriamanitra (and.22,23)
Hoy i Jesoa: « Na zovy na zovy no hilaza amin’ity tendrombohitra ity hoe: Mifindrà, ka mianjerà any an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa hino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany ». Ny finoana avy amin’Andriamanitra no ahazoan’ny olona miatrika zava-tsarotra eo amin’ny asa izay atao. Ka na lehibe toy ny tendrombohitra aza ny olana izay miseho dia mbola mihoatra lavitra noho izany ny herin’Andriamanitra sy ny sitrapony ho famahana izany. Ny olona manam-pinona dia feno fahatokiana ny herin’Andriamanitra, na dia mbola eo am-piatrehana fisedrana sarotra aza (and.24.25).
Fanontaniana:
Inona no sakana tsy hananana finoana an’Andriamanitra?
Foibe Sampana Sekoly Alahady