Maneho ny heriny amin’ny alalan’ny mpanompony ny Tompo.
Mofonaina anio: Zoma, faha 26 Jona 2026
Sal.72,18-19 / Hira. 20 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira. 643
Salamo 103,19 - 22
19 Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; Ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao. 20 Misaora an'i Jehovah, ianareo anjeliny, Dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon'ny teniny. 21 Misaora an'i Jehovah, ny miaramilany rehetra, Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony. 22 Misaora an'i Jehovah, ny asany rehetra eran'ny fanjakany; Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko.Maneho ny heriny amin’ny alalan’ny mpanompony ny Tompo.
Mitaona hisaotra sy hankasitraka ny Tompo noho ny soa rehetra efa noraisina taminy ny mpanao Salamo, satria entiny hanehoana ny fiandrianany sy ny fahefany ireny. Maneho ny heriny amin’ny alalan’ny mpanompony ny Tompo.
1. Tsinontsinona ny herin’ny olona raha tsy misy fankatoavana Azy
And.20: Ahitana ny teny hoe: » mahery indrindra ». Izany hoe ireo feno hery ka nahazo ny fandresena. Raha ampiasaina mantsy ny teny hoe « indrindra » dia midika izany fa nisy mahery teo fa izy voatondro dia mihoatra lavitra noho ireo. Kanefa tsy mandeha irery izany hery izany fa misy ny hoe: « sady mankato ny didiny ». Hery miampy fankatoavana no nahatonga ny fandresena. Tsinontsinona tokoa ny hery raha tsy ny Tompon’ny fahefana rehetra no momba antsika. Koa tsarovy fa na malemy sy osa aza isika dia mahery indrindra ny Tompo, ary tsy maintsy mandresy izay miaraka Aminy. Koa aza miantehitra amin’ny herinao irery fa miaraha amin’i Jesoa.
2. Tsinontsinona ny fahaiza-manao raha tsy manao ny sitrapony
Resahina manokana ny « miaramila » izay olona voaomana sy niofana, ary manana ny fahaiza-manao tanteraka amin’ny lafiny ady ka vonona mandrakariva hifanandrina amin’ny fahavalo, ary hanantena fandresena. Eto anefa, dia miantso azy ireo hahay hisaotra ny Tompo satria na miaramila tsara ofana aza dia ny fanaovana ny sitrapony no nampandresy azy. Koa aza mihambo ho mahay zavatra sy tompon’ny fahalalana manoloana ny Tompo, tsarovy fa voafetra isika fa Izy no Tompon’ny zavatra rehetra.
Fanontaniana:
lanao koa ve mba mahay misaotra ny Tompo amin’ny zavatra rehetra sa ilay malaky manome tsiny Azy?
Foibe Sampana Sekoly Alahady