Fanehoana ny fankatoavana an’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alarobia, faha 24 Jona 2026
Sal.48,1-3/Hira.241/1,2/Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 489
Ezra 6,13 - 18
13 [Ny nahavitana ny tempoly, sy ny nitokanana azy] Ary tamin'izany Tatenay, governora amin'ny et? an-dafin'ny ony et?, sy Setarabozenay mbamin'ny namany dia nankato marina izany teny efa nampitondrain'i Dariosy ho any aminy izany. 14 Dia nanao ny trano ny loholon'ny Jiosy ka nambinina noho ny faminanian'i Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak'Ido. Ary nanao ny trano izy ka nahavita azy, araka ny didin'Andriamanitry ny Isiraely sy araka ny didin'i Kyrosy sy Dariosy ary Artaksersesy, mpanjakan'i Persia. 15 Dia vita io trano io tamin'ny andro fahatelo tamin'ny volana Adara tamin'ny taona fahenina nanjakan'i Dariosy mpanjaka. 16 Ary ny Zanak'Isiraely, na ny mpisorona, na ny Levita, na ny olona sisa izay nody avy tamin'ny fahababoana, dia nitokana io tranon'Andriamanitra io tamin'ny fifaliana; 17 ary ny nateriny hitokanana io tranon'Andriamanitra io dia omby zato sy ondrilahy roan-jato sy zanak'ondry efa-jato; ary ny ho fanatitra noho ny ota kosa ho an'ny Isiraely rehetra dia osilahy roa ambin ny folo, araka ny isan'ny firenen'Isiraely. 18 Dia nanendry ny mpisorona ho amin'ny firazanany avy sy ny Levita ho amin'ny antokony avy izy, hanao ny fanompoana an'Andriamanitra izay any Jerosalema, araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'i Mosesy.Fanehoana ny fankatoavana an’Andriamanitra
Tantaraina eto ny zava-niseho tamin’ny fitokanana ny Tempoly. Raha nitarika ny fanarenana ny Tempoly i Ezra dia fanehoana fankatoavana ny Tenin’i Jehovah Andriamanitra izany. Koa tsy ny trano ihany no voatokana tamin’io fotoana io fa indrindra ny olona, niverina ho amin’Andriamanitra. Ahoana no nanehoan’ny vahoaka ny fankatoavany an’Andriamanitra?
1. Nahafoy ny zavatra rehetra
And.17: Eto no itanisana ireo fanatitra naterin’ny vahoaka ho an’ny tranon’ny Tompo izay tena maro sady sarobidy. Manan-danja eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ny fanatitra, satria fanehoana fankasitrahana Azy izany, ary koa fanehoana fahatokiana Azy noho ny heriny sy ny fahefany. Nahafoy zava-tsoa ho an’Andriamanitra ny olona eto. Antsoina ihany koa isika vahoakan’Andriamanitra ankehitriny hahafoy zava-tsoa ho an’ny trano sy ny asan’Andriamanitra. Ny fitiavan’i Kristy ao anaty no hanosika antsika hanao mihoatra aza.
2. Nandroso tamin’ny fanompoana marina
Ny fanompoana marina dia ny fitadiavana ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Izany no fahamasinana tian’ny Tompo hiainan’ny vahoakany. Ny didy voasoratra ao amin’ny lalàn’i Mosesy (And. 18b) dia mitaona ny vahoaka hitandro izany fahamasinana izany, araky ny Soratra Masina manao hoe: << ho masina ianareo satria masina Aho Jehovah Andriamanitrareo >>> (Lev 19,2). Miantso antsika izany teny izany mba haneho fankatoavana Azy amin’ny alalan’ny fitandrovantsika ny momba antsika manontolo: saina, vatana, fanahy ho araka ny sitrapony, eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina.
Fanontaniana:
Nahoana no mbola betsaka ny olona tsy mahay manompo marina an’ Andriamanitra?
Foibe Sampana Sekoly Alahady