Manaiky ho IRAKA ny mpino
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 25 Jolay 2026
Sal 106.1-5 / Hira 307.1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 310.1,2
1 Tesaloniana 5,14 - 15
14 Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin'ny olona rehetra. 15 Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra.Manaiky ho iraka ny mpino
1-Ho amin’ny fiaraha-miasa samy mpino
Entanina mba hanohana ny mpitondra azy ny kristiana, amin’ny alalan’ny fanajana sy ny fankatoavana ary ny fitiavana azy (5,12,13). Tsy noho ny zava-bitany akory fa noho ny andraikitra ara-panahy tanterahiny ao amin’ny Tompo. Tsy izany ihany no hita eto fa ao ihany koa ny tokony hifanaovan’ny samy kristiana toy ny fananarana izay tsy mitoetra tsara, fanomezan-toky ny malemy saina, fampaherezana ny reraka (and 14). Aseho izany co amin’ny samy mpino ao amin’ny Tompo. Iraka lehibe andrasan’ny Tompo mba ho tanterahin’ny mpino izany, ka tsy ao amin’ny Fiangonana ihany, fa co amin’ny mpiara-belona aminy koa. Atao amin’ny fitiavana izany, mba hisehoan’ny fiombonana aina ao amin’ny Fiangonana. Ny mpino manaiky ho irak’Andriamanitra dia afaka miatrika ny fiarahamonina izay anirahina azy, ary afaka manatanteraka ny asany am-pitiavana.
2-Ho amin’ny fifanampiana samy mpino
Misy fomba fiteny mahazatra hoe: « sambatra izay mahay mifanampy, fa tsy misy manana ny ampy ». Ny hafatra sy anatranatra farany nataon’i Paoly ho an’ny kristiana tany Tesalonika dia izao: Tsy ny famaliana ny ratsy ho an’izay manao ratsy akory no zava-dehibe eo amin’ny mpino famaliana izany amin’ny fanaovan-tsoa. Tsy vita amin’ny teny anefa izany, isika mpino ho mpitarika sy modely ho an’ny hafa; ary tsy ho amin’ny namana ihany, fa ho amin’ny olona rehetra (and 15). Zava-dehibe co amin’ny fiainana kristiana ny fifanampiana. Endriky ny fiombonana izany. Ho tsara fiaraha-monina sy mahay mifanampy anie ny mpino irahin’Andriamanitra!
Fanontaniana:
Mbola tazana eo amin’ny Fiangonana ankehitriny ve ny fifanampiana ? Hazavao ny hevitrao.
Foibe Sampana Sekoly Alahady