Mahatoky amin’ny asany ny mpino

Mofonaina anio: Talata, faha 18 Aogositra 2026

Sal.66:8-12 / Hira 201.1,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 336:2

Deoteronomia 26,5 - 11
5 Dia hiteny eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Syriana mpanjenjena no raiko, ka nidina tany Egypta izy, dia nivahiny tany mbamin'ny olom-bitsy; ary tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa. 6 Ary nanao ratsy tamintsika ny Egyptiana ka nampahory antsika sy nampanao antsika fanompoana mafy. 7 Dia nitaraina tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, isika, ka nihaino ny feontsika Izy ary nijery ny alahelontsika sy ny asantsika ary ny fahoriantsika; 8 ary tanana mahery sy sandry nahinjitra sy fampahatahorana lehibe sy famantarana ary fahagagana no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, 9 dia nitondra antsika niditra teto amin'ity tany ity Izy ka nanome antsika ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely. 10 Ary ankehitriny, Jehovah ô, indro, efa nentiko ny voaloham-bokatra amin'ny tany izay nomenao ahy. Dia avelao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ny zavatra, ary mivavaha eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao. 11 Ary mifalia amin'ny soa rehetra izay nomen'i Jehovah Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao ianao sy ny Levita mbamin'ny vahiny eo aminao.

Mahatoky amin’ny asany ny mpino

Misy asa fanompoana karazany roa azo tarafına amin’izao Soratra Masina voalahatra izao: asa fanompoan’ny vahoaka voageja sy asa fanompoanan’ny olona afaka.

1- Asa fanompoan’ny olona voageja:

Asa mafy sy nampahory no nampanaovina ny Zanak’Israely raha nandevozina tany Egypta izy ireo (and.6). Maneho izany fa zary enta-mavesatra ny asa atao (na ampanaovina) rehefa voageja ny olona. Amin’ny ankapobeny, ny Egyptiana dia endrika anehoana ny fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra. Ankehitriny kosa dia tsy manam-pahavalo afa-tsy i satana isika. Koa ny asan’ny devoly rehetra dia mampitondra zioga sy fangirifiriana avokoa ka tokony ho lavina sy ho toherina ary hialana. Hoy ny Soratra Masina : « Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambana amin’ny tsy mino » (2 Korintiana 6.14), ary koa: « tohero izy »(1 Petera 5.9)

2- Asa fanompoana ataon’ny olon’afaka

Raha tarafına amin’ny and.11 kosa dia am-pifaliana sy mitera-pifaliana ny asa fanompoana tanterahin’ny olona afaka. Ny fitondrana ny voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra dia manambara fahatsiarovam-pamonjena (olon’afaka maneho fankasitrahana) sy maneho ny fanahin’ny fahafoizana ny tsara indrindra (lohan’entana, hoy isika). Tanterahina an-tsitrapo izany, tahaka ny nanoloran’i Jesoa ny ainy ho antsika. Noho izany, ny fanompoana tanterahin’ny olon’afaka dia tsy zioga manavesatra fa endrim-pisaorana, setrin’ny famonjena noraisin’ny mino tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy (ivereno ny Mofonaina afak’omaly) asa

Fanontaniana:

Tsaroanao fa « mavesatra » ve ny asa fanompoana? Inona no antony? Inona no tokony hatao?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Mahatoky amin’ny asany ny mpino

Alatsinainy, 17 Aogositra 2026

Mahatoky amin’ny asany ny mpino 1-Tsy miovaova hevitra (and.17-20) Eto ny Apostoly Paoly dia miresaka…

Mahatoky amin’ny asany ny mpino

Alahady, 16 Aogositra 2026

Mahatoky amin’ny asany ny mpino. 1- Tsy manao izany ho fahazoam-pamonjena (and.8-9) Ny famonjena dia…

Rehefa tsara fototra ny finoan’ny mp...

Asabotsy, 15 Aogositra 2026

Rehefa tsara fototra ny finoan’ny mpino iray: 1. Mahatoky amin’izay ataony izy (and. 12) Mampirisika…