Rehefa tsara fototra ny finoan’ny mpino iray
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 15 Aogositra 2026
Sal 48,1-3 / Hira F 48,1.2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 295. 1
Filipiana 2,12 - 18
12 Koa amin'izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin'ny tahotra ny ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. 13 Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. 14 Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana, 15 mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao, 16 mitana ny tenin'ny fiainana, mba hisy ho reharehako amin'ny andron'i Kristy, ka tsy ho nihazakazaka foana aho na nisasatra foana. 17 Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin'ny fanatitra ny fisoronan'ny finoanareo aza aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra. 18 Ary aoka izany no hampifaly anareo koa, ary miaraha mifaly amiko.Rehefa tsara fototra ny finoan’ny mpino iray:
1. Mahatoky amin’izay ataony izy (and. 12)
Mampirisika ny Fiangonana tao Filipia i Paoly eto mba ho mpankatò toa an’i Jesoa Kristy. Satria nanaiky am-pitiavana hanompo ny Tompo dia tsy maintsy manaraka ny lalana izoran’i Kristy hatrany, ary tsy maintsy mandroso amin’ny fahamasinana. Andriamanitra no miasa eo amintsika voalohany, fa ny mpino kosa miara-miasa Aminy eo ambany fahasoavany. mikendry famonjena isika dia mila miasa amin’ny tahotra sy ny hovitra ao anaty fahatanterahana.
2. Andriamanitra mihitsy no mitarika azy (and. 13)
Andriamanitra no mibaiko ny mpino satria miasa ao aminy Izy. Tsy ny hery hoentitsika manao ny sitrapony ihany no omen’ Andriamanitra fa ny faniriana hanao izany koa. Tarihina hibebaka isika; ary ny hanao ny sitrapon’ Andriamanitra no tanjona. Amin’ny alalan’ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny heriny no ahafahantsika manao ny asany. Maneho ny asan’ny fanahiny ao anatintsika isika amin’izany.
3. Tonga mailo mandrakariva (and.14-16)
Ny fo sy saina mitoetra tsara amin’ny finoana no zava-dehibe eo anatrehan’ Andriamanitra mihoatra noho ny fihetsika ivelany. Sady tsy mimonomonona, no tsy miahanahana isika mba tsy hisy fitaka eo amin’ny fitondrantena. Mila mijoro ho fanazavana hatrany isika mba hanana fahamasinam-pitondrantena. Tsy ho fanazavana hitan’ny olona fotsiny ihany anefa fa tsy maintsy mitàna ny teny fiainana mba ho ren’ny olona. Mety ho voaheloka ho faty toa an’i Jesoa Kristy i Paoly, eny ho sahy misolo vaika ny ankalana, mba hamonjena ny hafa.
Fanontaniana:
Hatraiza no fetran’ny fanoloran-tenan’ny olona ho famonjena ny hafa?
Foibe Sampana Sekoly Alahady