Mahatoky amin’ny asany ny mpino
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 17 Aogositra 2026
Sal 133 / Hira 534.2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira FF.16:2
2 Korintiana 1,17 - 24
17 Koa raha nikasa izany aho, moa nanao kitoatoa va aho? Ary izay zavatra kasaiko, moa kasaiko araka ny nofo va, mba hanaovako eny eny foana, sy tsia tsia foana? 18 Fa raha mahatoky koa Andriamanitra, ny teninay taminareo dia tsy eny sy tsia; 19 fa ny Zanak'Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia izaho sy Silasy ary Timoty, dia tsy eny sy tsia, fa ao aminy dia eny ihany. 20 Fa na firy na firy ny teny fikasan'Andriamanitra, dia ao aminy ny eny, ary amin'ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr'Andriamanitra amin'ny ataonay. 21 Fa Izay mampitoetra anay mbaminareo ao amin'i Kristy sady nanosotra antsika dia Andriamanitra, 22 Izay nanisy tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika. 23 Ary izaho miantso an'Andriamanitra ho vavolombelona ny amin'ny fanahiko, fa ny fialàko nenina aminareo ihany no tsy mbola nankanesako tat? Korinto. 24 Kanefa tsy mihambo ho tompon'ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo, satria finoana no itoeranareo.Mahatoky amin’ny asany ny mpino
1-Tsy miovaova hevitra (and.17-20)
Eto ny Apostoly Paoly dia miresaka ny « eny » sy ny « tsia » mba hanazavana ny fahatokiana amin’ny asa fanompona. Ny toetra tsy mahatoky, miroaroa saina, dia vokatry ny fanapahan-kevitra araka ny nofo. Ny mpino, izay mandeha araka ny Fanahy (Galatiana 5. 16), dia tsy miovaova hevitra eo anatrehan’ny asa fanompoana izay efa nanaovany « eny ». Jesoa Kristy, raha nangataka hanesorana Aminy ny kapoaka mangidy, dia tsy fivadiham-pitokisana amin’ny iraka nampanaovina Azy, fa famelana an’Andriamanitra Ray haneho sy hanatanteraka ny sitrapony, izany hoe: ny sitrapon’ Andriamanitra.
2-Mankamamy fiombonana ho fanehoana ny voninahitr’ Andriamanitra (and.21-24)
Fahalemena malaky mahazo ny mpino eo am-panatanterahana ny asa fanompoany ny fanandratan-tena sy fiheverana ho hany sy tena mahavita zavatra, hany ka zary takona ny voninahitr’ Andriamanitra. Ny famerimberenan’i Paoly ny teny hoe: « isika antsika…ntsika » (and.21, 22) dia maneho fa toe-panahy tena ilain’ny mpino ny fahaizana miara-miasa (and.24). Fomban’Andriamanitra nasehony hatrany amin’ny asam-pahariana rahateo izany ka tokony hananan’izay mino Azy. Ny Fanahin’Andriamanitra (Fanahy Masina) nambomba tambonin’ny rano (Gen 1. 2), ary ny Tenin’Andriamanitra (Jesoa Kristy) no nahariana ny zavatra rehetra (Jaona 1. 3).
Fanontaniana:
Misy « eńy » navadikao ho « tsia » ve ka tokony hibebahana? Ahoana no atao hialana amin’ny fitsitokotokoana?
Foibe Sampana Sekoly Alahady