Jesoa mpanavotra ny mino

Mofonaina anio: Alahady, faha 05 Aprily 2026

Sal 146 / HF 7 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 543

Joba 19,23 - 27
23 Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voatomboka eo amin'ny boky ireny! 24 Enga anie ka ho voasoratra amin'ny vy fanoratana sady voasy firaka eo amin'ny vatolampy ho mandrakizay izy! 25 Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra* ahy, ka hitsangana any am-parany** eo ambonin'ny vovoka Izy.[*Heb. Goela][**Na: ho farany] 26 Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin'ny nofoko aho, dia hahita an'Andriamanitra*;[Na: Dia hahita an'Andriamanitra amin'ny nofoko aho] 27 Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko* ato anatiko.[Heb. voako]

Jesoa Mpanavotra ny mino

Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy

Nifikitra tamin’ Andriamanitra tamim-pinoana lehibe, sady nino ny hamalian’ Andriamanitra azy any am-parany i Joba na dia teo aza ny fahoriana sy ny fahadisoam-panantenana nihatra taminy. Resy lahatra mihitsy izy tsy misy afatsy Andriamanitra irery no ho « Mpanavotra » na « Mpanampy » azy. Taloha, teo amin’ny fiaraha-monina jiosy dia misy ny atao hoe « mpanavotra » na « mpanampy » dia ireo olona manokana izay manam-pitiavana lehibe ka tonga mba hiaro na hanampy na hanavotra ireo olona voan’ny tsindrihazolena noho ny antony samihafa teo amin’ny fiaraha-monina nefa tsy misy azony atao intsony mba hiavotany tena (cf Lev 25. 25, Rot 4. 1).

Hitsangana any am-parany eo ambonin’ny vovoka Izy

Tamin’ny tsindrimandry avy tamin’ny Fanahy Masina no nahasahian’i Joba nilaza fa i Jesoa Kristy no Ilay Mpanavotra azy ary tsy ho azy ihany fa tonga koa Izy mba hanavotra ireo olony mino Azy amin’ny fahotana sy ny fanamelohana (Rom 3. 24, Gal 3.13, …) ary tonga mba hanafaka azy ireo amin’ny tahotry ny fahafatesana koa Izy (Heb 2. 14-15). Nefa tsy izany ihany fa tonga mba hanafaka ny olony amin’ny fahatezerana ho avy koa (1Tes 1. 10), fa mbola ho avy koa izy hitondra famaliana an-karihary ho azy ireo (Apo 19. 11-21; 20.1 -6)

Fanontaniana:

Iza Ilay havana Mpanavotra ny olona mino?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Nijaly mba ho fanamarinana ny olona ...

Asabotsy, 4 Aprily 2026

Nijaly mba ho fanamarinana ny olona i Jesoa Kristy Mampahafantatra antsika zanak’olombelona izany fa ho…

Vita ny famonjena

Zoma, 3 Aprily 2026

Zoma 03 Aprily 2026 Sal 105: 1-8 / Hira 42,1-2-3 / Vavaka / Mofonaina /…

Tsy ny avo feo akory no mañana ny fa...

Alakamisy, 2 Aprily 2026

Tsy ny avo feo akory no mañana ny fahamarinana 1- Misy ny marina eo anatrehan’ny…