Ilay Andriamanitra fitiavana

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 23 Aprily 2026

Sal. 16 / Hira 167 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 7

Romana 8,31 - 36
31 Inona ary no holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika? 32 Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra? 33 Iza no hiampanga ny olom-boafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy. 34 Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika. 35 Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? 36 Araka ny voasoratra hoe: Fa noho ny aminao no namonoana anay mandrakariva; Toy ny ondry hovonoina no fijery anay (Sal. 44. 22).

Ilay Andriamanitra fitiavana

1-Momba antsika mandrakariva

« Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? » (and 31): Tsy misy afaka hitsangana hanohitra ny mpanompon’ Andriamanitra, tsy misy afaka manangana ady, hanohitra ny tanjona izay ijoroany rehefa Andriamanitra no momba azy. Sasatra eny ihany ny mpanenjika ny olom-boahosotra. Tena zava-dehibe ny toky nomen’i Jesoa hoe: « Indro Izaho momba anareo mandrakariva… » (Mat 28, 20). Manana Andriamanitra miasa, mpiaro, mpamindra fo, be fitiavana isika. Ny zanany sy ny asan’ny tanany dia adidiny ihany (Isa 45, 11). Tsy avelany hiady irery na inona na inona mitranga.

2-Manome antsika maimaim-poana ny zavatra rehetra

Andriamanitra dia manolotra am-pitiavana, manome maimaim-poana. Amin’ny fahasoavany no hanomezany antsika. Tsy miankina amin’ny ezaka ataontsika izany. Toy ny nanomezany ny Zanany lahy tokana hamonjy antsika dia manome antsika maimaim-poana ny zavatra rehetra ny Tompo. Ny anjarantsika dia mandray am-pitiavana sy maneho fankasitrahana sy voninahitra ho Azy.

3-Manamarina sy mihazona antsika

« Iza no manameloka?… Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Tsy misy afaka hanameloka antsika, manana mpisolo vava isika dia Jesoa Kristy Tompo. Izy no mpanamarina antsika. Tsy hay refesina, tsy takatry ny saina, tsy misy fetra ny fitiavan’i Jesoa Kristy. Izany no mihazona antsika na eo aza ireo tranga samihafa miseho.

Fanontaniana

Inona avy ireo voka-tsoa omen’ny Tompo antsika?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny mampiavaka ny mpanompon’ Andriama...

Alarobia, 22 Aprily 2026

Ny mampiavaka ny mpanompon’ Andriamanitra 1-Manaraka fandaminana « Ary Josoa dia nanao araka izay nolazain’i Mosesy…

Jesoa Kristy Tompo

Talata, 21 Aprily 2026

Jesoa Kristy Tompo 1-Mivavaka Izy aloha. « Ray o, misaotra Anao aho fa efa nihaino Ahy…

Ho anao manana andraikitra manokana,

Alatsinainy, 20 Aprily 2026

Alatsinainy, faha 20 Aprily 2026 Sal 89/Hira539/Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/Hira FF3 1Korintiana 15, 24-28 Ho anao manana…