I Jesoa maniraka

Mofonaina anio: Alahady, faha 14 Jona 2026

Sal 24.7-10 / Hira 314: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 314

Matio 28,18 - 20
18 Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy et? an-tany; 19 koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina 20 sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.

I Jesoa maniraka

I Jesoa tompon’ny fahefana no maniraka hoe:

1. Mandehana (and 18)

<<< Mandehana ianareo… » hoy i Jesoa mantsy ny mpianany. Izany no mamaramparana ny Filazantsara araka an’i Matio. Sady iraka izany no fanomezam-pahefana rahateo. Midika izany fa ny olona mahatsapa tena na mihevitra ny tenany ho mpianatr’i Jesoa, satria mihaona amin’i Jesoa velona efa nandresy ny fahafatesana ka mino sy mandray Azy dia tsy asaina mipetrapetraka fa mihetsika mandrakariva. Tsy mitomoemoe-poana na mandrimandry fa hahatsiaro hatrany fa misy andraikitra miandry ary mila tanterahina.

2. Ataovy mpianatra (and 19)

<< Ataovy mpianatra ny firenana rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ». Inona marina moa no dikan’ny hoe manao ho mpianatra ? Raha lazaina amin’ny fomba farany tsotra dia izao: mitaona ny olona hino an’i Jesoa ary hanaraka ny fampianarany sy hanara-dia Azy, mampihaona ny olona amin’i Jesoa. Izany no tena andraikitra goavana amin’io baiko faharoa io !

3. Aza be fanahiana (and 20)

<<< Izaho momba anareo mandrakariva… » hoy i Jesoa manome toky ny mpianany rehefa naniraka azy ireo. Tsy vao eto akory i Jesoa no miteny toy izany (Mat 6. 25). Fa ny tiany ho takatsika amin’izany dia ny hoe ataovy laharam-pahamehana aloha ny fankatoavana ny iraka ampanaoviny fa aza variana na sahiran-tsaina amin’ny zavatra hafa ! Ny dikan’ny hoe momba mantsy dia hoe miara-dalana na miara-mandeha na ihany koa miandany. Noho izany, co sady miaraka no tsy mahafoy anao i Jesoa koa mankatoava, fa ianao ve dia mihevitra hoe avelany hiady irery?

Fanontaniana:

Hatraiza no efa nankatoavina sy vitanao?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Mendri-pisaorana Jehovah

Asabotsy, 13 Jona 2026

Mendri-pisaorana Jehovah Fanontaniana telo no valian’ny anjara mofonainantsika: 1. Inona no mendrika an’i Jehovah ?…

Te hamonjy ny olona rehetra Andriama...

Zoma, 12 Jona 2026

Te hamonjy ny olona rehetra Andriamanitra Tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe Isaia faharoa (toko 40…

I Kristy

Alakamisy, 11 Jona 2026

I Kristy Ampianarin’ny mofonaina anio isika fa i Kristy dia: 1. Zanaka manapaka ny tranon’Andriamanitra…