Te hamonjy ny olona rehetra Andriamanitra
Mofonaina anio: Zoma, faha 12 Jona 2026
Eks 15. 11-13 / Hira 36: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka Hira 32: 2,3
Isaia 42,1 - 9
1 [Ny amin'ny Mpanompon'i Jehovah, mpitondra famonjena ho an'ny Isiraely sy ny firenena rehetra] Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko Napetrako tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika ho an'ny jentilisa Izy. 2 Tsy hiantsoantso Izy, na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalana. 3 Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; Hamoaka izay tena rariny tokoa Izy. 4 Tsy ho reraka na ho kivy Izy, Mandra-panoriny ny rariny amin'ny tany, ary ny nosy hiandry ny lalàny. 5 Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy sy fanahy ho an'izay mandeha eo aminy: 6 Izaho Jehovah efa niantso Anao tamin'ny fahamarinana sy nitantana ny tananao, Ary hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an'ny olona, Ho fanazavana ny jentilisa, 7 Hampahiratra ny mason'ny jamba, hamoaka ny mpifatotra hiala ao an-trano-maizina ary izay mipetraka ao amin'ny maizina hiala ao an-trano famatorana. 8 Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an'ny sarin-javatra voasokitra. 9 Ny amin'ny zavatra taloha, dia indreo, efa miseho; Ary zava-baovao kosa no toriko izao; Na dia tsy mbola miposaka aza ireny, dia ambarako aminareo.Te hamonjy ny olona rehetra Andriamanitra
Tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe Isaia faharoa (toko 40 – 55) ny mofonainantsika, izany hoe any am-pahababoana any Babylona ny Jiosy. Kivikivy sy ketraketraka, kanefa ao indrindra koa ny maneho Andriamanitra fa:
1. Te hamonjy ny olony Izy (and 1 – 4)
« Indro ny mpanompoko…tsy ho reraka na ho kivy izy mandra-panaony ny rariny amin’ny tany » hoy ny mpaminany eto. Ny teny hoe « indro » dia midika mazava fa tsy hoe vao mieritreritra na vao mikasa famonjena ho an’ny olony tsy akory i Jehovah fa efa vonona mihitsy na ny famonjena na ny mpamonjy irahina hanatanteraka izany famonjena izany. Manondro an’i Jesoa indrindra io hoe mpanompon’i Jehovah hitondra famonjena ho an’ny Isiraely io. Asa raha tsaroanao fa ianao kosa dia isan’izay tian’Andriamanitra ho vonjena tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Tsy avelan’ny Tompo ho rendriky ny fitanondrehana ianao fa efa nirahina hamonjy anao Jesoa. Koa mitrakà dia mifalia indrindra. Mihevitra anao Jehovah
2. Te hamonjy ný jentilisa koa (and 6)
« Izaho Jehovah efa niantso anao…ho fanazavana ny jentilisa » hoy ny teny ampitondrain’i Jehovah an’i Isaia mpaminany. Mahavariana ny fitiavan’Andriamanitra, fa sady tiany hovonjena ny Isiraely kanefa tiany hibebaka sy hitodika Aminy koa ny Jentilisa (ny atao hoe jentilisa dia tsy hoe ny mpanota matevin-koditra akory fa ny hafa firenena na izay tsy jiosy). Ary i Jesoa izay nirahiny, izay nitonona rahateo fa fahazavan’izao tontolo izao (Jao 8. 12)! Ny nahavariana tamin’ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesoa dia izy ireo saro-tiavina, fa tonga tany amin’ny Azy i Jesoa, fa ny Azy tsy nandray Azy. Tandremo tsy tahaka azy ireo!
Fanontaniana:
Ahoana ny fahatsapanao ny fitiavan’ny Tompo te hamonjy?
Foibe Sampana Sekoly Alahady