Ho an’ny rehetra no nahatongavan’ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 11 Aprily 2026
Sal 118,24-29 / Hira 6 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 461, 1,3,6
Isaia 45,22 - 25
22 Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa. 23 Ny tenako no nianianako, nisy teny efa naloaky ny vavako tamin'ny fahamarinana* ka tsy hitsoaka: Izaho no handohalehan'ny lohalika rehetra, sy hianianan'ny lela rehetra hoe*: [Na: Nisy teny naloaky ny vavan'ny fahamarinana] 24 Ao amin'i Jehovah ihany no misy fahamarinana be sy hery, ka izy ihany no hohatonin'ny olona, ary ho menatra izay rehetra tezitra aminy. 25 Ao amin'i Jehovah no hanamarinana ny taranak'Isiraely rehetra sy hananany rehareha.Ho an’ny rehetra no nahatongavan’ny Tompo
Izay rehetra miverina amin’ny Tompo dia hovonjena
« Mijery ny Tompo » mihitsy no teny ampiasaina eto, nefa mijery Azy ahoana moa? Tsy olona na zavatra hita maso no Izy ka ho hita hojerena, noho izany izay tiana holazaina amin’ny hoe mijery Azy dia mitodika Aminy indray. Teo aloha dia tsy noraharahiana Izy, fa zavatra hafa toy ny sampy samihafa no nimatimatesana; fa izao kosa dia mila manao zava-dehibe ny fatahorana Azy indray, ny fivavahana Aminy ary tsy maintsy miaraka amin’ny fandavana tanteraka ny zavatra hafa nekena teo aloha izany. Ambaran’ny Tompo amin’ny alalan’ny mpaminamy eto fa hamonjy izay rehetra miverina Aminy Izy izany hoe ny olona rehetra, ny vazan-tany rehetra.
Ho reharehan’ny olona Izy
Hahatsapa ny maha zava-dehibe ny fanarahan-dia Azy ny olona noho ny fahamarinany be sy ny heriny tsy misy tahaka azy. Omen’ny Tompo ny olona ny fitahiana sy ny fahasoavany ka hirehereha noho izany ny olona, araka ny tenin’ny Soratra Masina hoe: « raha velona koa Jehovah dia Izy no holazain’ny firenena ho fahasambarany ary Izy no ho rehereheny (Jer 4. 2) koa izay mirehereha dia aoka i Jehovah no ho reherehany.
Fanontaniana:
Azo ataon’ny mpanota ve ny miverina ao amin’ny Tompo? Inona no tena ireharehan’ny olona eo amin’ny fiainany?
Foibe Sampana Sekoly Alahady