Hanao fitsarana Andriamanitra

Mofonaina anio: Talata, faha 23 Jona 2026

Sal.108,1-5 / Hira 171:1,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 543

Joela 1,1 - 7
1 Ny tenin'i Jehovah, izay tonga tamin'i Joela, zanak'i Petoela. 2 [Filazana ny loza nanjo, ary fitarainana sy anatra noho izany] Henoy izao, ry anti-panahy! Ary mandrenesa, ianareo mponina rehetra amin'ny tany! Moa mba efa nisy tamin'ny andronareo na tamin'ny andron'ny razanareo, va izao? 3 Lazao amin'ny zanakareo izao, ary aoka ny zanakareo hilaza amin'ny zanany kosa, ary ny zanak'ireo kosa indray amin'ny taranaka mandimby azy. 4 Izay sisan'ny kijeja* dia nohanin'ny koraika; Ary izay sisan'ny koraika dia nohanin'ny valalavao*: Ary izay sisan'ny valalavao dia nohanin'ny sompanga***. [*Heb. mpikiky][**Heb. mpilelaka] [***Heb. mpandany] 5 Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania, eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka, satria tapaka tsy ho amin'ny vavanareo izany. 6 Fa misy firenena mahery sady tsy hita isa miakatra hamely ny taniko; Ny nifiny dia nifin-diona, ary ny vazany dia vazan'ny liom-bavy. 7 Nataony simba tokoa ny voaloboko, ary notapatapahiny ny aviaviko; Nataony nakiky tokoa ireny ka nariany, eny, tonga fotsy ny rantsany.

Hanao fitsarana Andriamanitra

Hanao fitsarana Andriamanitra noho ny faharatsian’ny olony, ary amin’izany no hanehoany ny fahefany sy ny fahalehibeazany ho hitan’izao tontolo izao. Miantefa amin’ny olona rehetra ny antson’ny mpaminany eto ka ambarany fa:

1. Ho avy ny faharavana

(And.4,5): Tanisaina eto ny karazana biby mpandrava toy ny valala. Ny fandalovan’ny valala eto dia entina hanehoana ny herin’ny Tompo izay mandrava sy manapotika izay rehetra tsy ankasitrahany. Ny valala mantsy dia sady manimba ny ankehitriny no manafoana ny hoavy. Izany no voatendry ho an’izay minia ka manao tsinontsinona ny fahefana sy ny fiandrianan’ Andriamanitra. Variana mankamamy ny fiainana fotsiny mantsy ny olona ka nanadino Azy. Mampahatsiaro antsika izany fa mandalo izao rehetra izao ary ho avy ny fitsarana, koa aza variana fa ho avy Jesoa.

2. Tsy hisy azo antenaina intsony ankoatran’ny Tompo

Resahina eto amin’ny mofonaina ny voaloboka, ny aviavy, ary ny fankafizana izany vokatry ny tany izany. Ireo mantsy no singa nanamarika ny fiadanana sy ny fifaliana teo amin’ny Zanak’Israely satria anisan’ny nampalaza ny faritr’i Palestina izany. (And.7), Ambara fa ho foana sy ho potika tsy hisy antenaina intsony ireny. Isika tokoa na dia manompo an’Andriamanitra aza dia halaim-panahy hifikitra amin’ny harena mandalo. Ny andrasany dia ny hahatsiarovantsika ny fiombonana Aminy, ary izay ihany no làlana ahitana ny tena fiadanana. Raha ho an’ny tsy mino, ny andron’ny Tompo dia faharavana, fa ho an’ny mino sy manantena Azy kosa dia manambara ny fanatrehany sy ny fitiavany ary ny famonjeny.

Fanontaniana:

Vonona ary ve ianao tena hatoky tanteraka an’Andriamanitra manomboka izao?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny olona andrasan’ny Tompo hihaona A...

Alatsinainy, 22 Jona 2026

Ny olona andrasan’ny Tompo hihaona Aminy Eto ny Salamo dia mitaona hivavaka amin’Andriamanitra, tsy fombafomba…

Miomana handova ny fanjakan’ny lanit...

Alahady, 21 Jona 2026

Miomana handova ny fanjakan’ny lanitra Mampianatra ny Fiangonana i Paoly mba hiorina tsara sy hanana…

Ny andrasana amin’ny olona nafahana

Asabotsy, 20 Jona 2026

Ny andrasana amin’ny olona nafahana Izao mofonaina izao dia fampiomanana izay zavatra tsy maintsy hataon’ny…