Famonjena sy ampingantsika Andriamanitra

Mofonaina anio: Alarobia, faha 08 Aprily 2026

Sal 145,1-7 / Hira 16,1,2,3,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 547

Salamo 33,18 - 22
18 Indro, ny mason'i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony, 19 mba hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana, sy hamelona azy, raha misy mosary. 20 Ny fanahintsika miandry an'i Jehovah; famonjena antsika sy ampingantsika Izy. 21 Fa Izy no ifalian'ny fontsika, satria ny anarany masina no itokiantsika. 22 Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay araka ny anantenanay Anao.

Alarobia 08 Aprily 2026

Sal 145,1-7 / Hira 16,1,2,3,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 547

Salamo 33, 18-22

Matahora an’Andriamanitra, manantenà ny famindrampony.

Tena fampianaran’ny baiboly ho an’ny olona mihitsy ny hananan’ny olona izany tahotra an’ Andriamanitra izany. Ny karazan-dahatsoratra rehetra ato amin’ny baiboly amin’ny ankapobeny dia mitarika ny olona hanana izany avokoa satria zava-dehibe izany eo amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Tena miverimberina im-betsaka koa izany fampianarana izany ato amin’ny lahatsoratra milaza fahendrena (ny Salamo sy ny ohabolana ohatra) satria amin’izy ireny, ny tena fahendrena dia ny fahatahorana an’Andriamanitra, ka izay te ho hendry dia tsy maintsy manan-tahotra an’Andriamanitra (cf Oha 1. 7, 2. 5, 8. 13, 9. 10, …). Ity Salamo ity izao dia mitarika ny olona hanana izany mihitsy, ary ambonin’izany koa dia lazainy fa hitan’Andriamanitra izay ataon’ny olona, na manan-tahotra Azy izy, na tsy miraharaha Azy akory.

Hanampy ireny olona ireny Izy

Ambaran’ny mpanao Salamo anefa fa tsy hiala maina akory izay manan-tahotra Azy, satria hitan’Andriamanitra izay manao izany ary arovany amin’ny asan’ny ratsy. Hotsinjoviny hatrany ny lalany manoloana izay mety ho fakam-panahy sy izay zava-doza mety manjo ety amin’ity tany feno faharatsiana ity. Ny teny ilazan’ny mpanao Salamo izany dia hoe: « famonjena sy ampingantsika Izy » izany hoe: aro sy toky manoloana ny zavatra mety hitranga rehetra.

Fanontaniana:

Manao ahoana izany hoe: olona tsy matahotra an Andriamanitra izany?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Efa resy ny fahafatesana

Talata, 7 Aprily 2026

Efa resy ny fahafatesana Inona avy ny zavatra ambaran’ny Sotatra Masina eto izay mahakasika an’Andriamanitra?…

Tsara Mpiantoka ary tsy irery ny min...

Alatsinainy, 6 Aprily 2026

Tsara mpiantoka ary tsy irery ny mino Mahasoa ny olona ny manana an’Andriamanitra Rehefa avy…

Jesoa mpanavotra ny mino

Alahady, 5 Aprily 2026

Jesoa Mpanavotra ny mino Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy Nifikitra tamin’ Andriamanitra tamim-pinoana lehibe,…