Andriamanitra mahery

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 15 Jona 2026

Sal 103.1-5 / Hira 3: 1/ Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 3: 2,3

Salamo 104,24 - 32
24 Endrey ny hamaroan'ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao* ny tany. [Na: ny harenao] 25 Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe. 26 Any no alehan'ny sambo Sy ny trozona, izay noforoninao hilaolao any*.[Na: holaolaovinao] 27 Ireo rehetra ireo miandry Anao, Mba homenao ny haniny amin'ny fotoany. 28 Manome Hianao, dia manangona izy; Manokatra ny tananao Hianao, dia voky ny soa izy; 29 Manafina ny tavanao Hianao, dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any amin'ny vovoka nanalana azy, 30 Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, Ary manavao ny tarehin'ny tany Hianao. 31 Ho mandrakizay anie ny voninahitr'i Jehovah; Aoka Jehovah hifaly amin'ny asany. 32 Jereny ny tany, dia mihorohoro; Tendren'ny tànany ny tendrombohitra, dia midonaka.

Andriamanitra mahery

Salamo fiderana ity anjara mofonainantsika ity, ary hahazoantsika manakatra fa:

1. Mampiaiky volana ny asan’Andriamanitra (and 24)

«Endrey ny hamaroan’ny asanao Jehovah ô, fahendrena no nanaovanao azy rehetra » hoy ny mpanao Salamo. Io teny « Endrey » io dia sady mahalaza fahatalanjonana no manambara fiaikena ny fahatsaran’ny asan’Andriamanitra. Tsy ny hamaroany ihany mantsy no voatanisa amin’izany fa ny fahatsarany (kalitaony) indrindra koa ary miaraka amin’izany ny firindrany. Matipaika ary tsy misy tomika ny nandaminan’Andriamanitra an’izao rehetra izao. Tsy ny voahary ihany fa ny famonjeny tao amin’i Kristy ihany koa.

2. Miankin-doha Aminy izao rehetra izao (and 2,5)

«Manome ianao dia manangona izy, manokatra ny tananao lanao dia voky ny soa izy…alainao indray ny ainy dia maty izy… » hoy indray ny mpanao Salamo. Ny hevitr’ireo teny ireo dia izao: Tsy afa-manao na inona na inona, na koa mahavita tena samirery ny voahary manontolo fa tsy maintsy miantehitra amin’Andriamanitra mpahary sy mpamorona azy. Saino anie hoe mitsahatra minitra vitsy tsy mandrindra izao tontolo izao Andriamanitra e !

3. Eo ambany fifehezany ny zavatra rehetra (and 32)

«Jereny ny tany dia mihorohoro, tendren’ny tanany ny tendrombohitra dia midonaka». Ity andininy ity dia mampihasinkasina mihitsy fa tsy hay tohaina ny hery sy ny fahefan’Andriamanitra. Mampahatsiahy ny Teny nentin’ Andriamanitra nahariana izao tontolo izao koa izany. Ary ao amin’i Jesoa Tenin’Andriamanitra tonga nofo dia mbola mitoetra tsara izany herin’ Andriamanitra sy fahefany izany satria ny fasana sy ny fahafatesana aza tsy nahazona Azy, resiny, niala maina teo anatrehany.

Fanontaniana:

Manao ahoana ny fahitanao ny asan’Andriamanitra?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

I Jesoa maniraka

Alahady, 14 Jona 2026

I Jesoa maniraka I Jesoa tompon’ny fahefana no maniraka hoe: 1. Mandehana (and 18) <<<…

Mendri-pisaorana Jehovah

Asabotsy, 13 Jona 2026

Mendri-pisaorana Jehovah Fanontaniana telo no valian’ny anjara mofonainantsika: 1. Inona no mendrika an’i Jehovah ?…

Te hamonjy ny olona rehetra Andriama...

Zoma, 12 Jona 2026

Te hamonjy ny olona rehetra Andriamanitra Tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe Isaia faharoa (toko 40…