Ny kristiana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 13 Aprily 2026
Sal 57, 7-11 / Hira 23 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 465, 1-4
Filipiana 2,5 - 8
5 Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa, 6 Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, 7 fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona; 8 ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana.Ny Kristiana.
Avy amin’ny anaran’i Kristy ny anarana hoe: Kristiana; izany hoe mpanara-dia an’i Jesoa Kristy ny Kristiana. Ahoana anefa izany hoe mitondra ny anaran’i Kristy izany?
Misy ny zavatra andrasana amin’ny Kristiana araka izany, amin’ny maha mpanara-dia an’i Kristy azy:
-Manana ny sain’i Kristy:
Ny saina eto dia milaza ny toetra anaty izay raisina sy atao ho an’ny tena ary tahafina avy amin’izay nataon’i Jesoa Kristy. Mila mamantatra izany aloha hoe inona avy no nataon’i Jesoa Kristy ka miezaka manana izany fiheveran-javatra ananany izany avy eo. Ambara eto fa nanana ny endrik’Andriamanitra Izy satria tena Andriamanitra tokoa Izy. Azony atao tsara izany ny maniraka ny mpanompony hanao izay tiany hovitaina, azony atao ny mampiasa ny fahefany hanatanteraka ny sitrapony amin’ny trangan-javatra rehetra kanefa tsy nanao izany Izy. Izany ilay lazaina eto hoe tsy notazominy mafy akory ny maha Andriamanitra Azy tamin’ny zavatra nampanaovina azy.
-Manafoana tena:
Zava-dehibe ilay filazana eto hoe « nanafoana ny tenany Izy ». Izay tiana hambara dia hoe tsy namihina ilay voninahitra ananany, tsy nitazona ny hery sy ny fahefany ary tsy nampiasa izany tamin’ny niatrehany ny iraka nampanaovina Azy.
Fanontaniana:
Iza no antsoina hanana ny sain’i Kristy sy hanafoana ny tenany?
Foibe Sampana Sekoly Alahady