Efa resy ny fahafatesana
Mofonaina anio: Talata, faha 07 Aprily 2026
Sal. 96. 1-3 / Hira FF13 / Vavala / Mofonaina / Vavala / Hira 141.1,3,5
Lioka 24,1 - 12
1 Fa nony maraina koa tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia nankany amin'ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny. 2 Ary hitany fa, indro, ny vato efa voakodia niala tamin'ny fasana. 3 Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin'i Jesosy Tompo. 4 Ary raha mbola very hevitra tamin'izany izy, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana manelatrelatra. 5 Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin'ny maty no itadiavanareo ny velona? 6 Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe: 7 Ny Zanak'olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanota ka hohomboana amin'ny hazo fijaliana ary hitsangana amin'ny andro fahatelo. 8 Dia nahatsiaro ny teniny izy. 9 Ary niverina niala tamin'ny fasana izy, dia nilaza izany rehetra izany tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy sy ny namany rehetra. 10 Teo Maria Magdalena sy Johana ary Maria, renin'i Jakoba; ary ny vehivavy sasany izay naman'ireo koa dia nilaza izany tamin'ny Apostoly. 11 Nefa nataony ho arirarira foana izany teny izany ka tsy ninoany. 12 Fa Petera nitsangana, dia nihazakazaka nankany amin'ny fasana; ary niondrika izy ka nahita ny lambam-paty mipetraka mitokana; dia lasa nody izy sady gaga noho ny zavatra izay tonga teo.Efa resy ny fahafatesana
Inona avy ny zavatra ambaran’ny Sotatra Masina eto izay mahakasika an’Andriamanitra?
Andriamanitra Izy ka velona mandrakizay, tsy manana fahefana Aminy ny fahafatesana; koa aza mitady Azy any amin’ny maty na dia nataon’ny olona tany amin’ny toeran’ny maty aza Izy. Aseho eto izany fa efa nitsangana soa aman-tsara Izy araka ny efa noteneniny, noho izany dia tsy misy tokony hahagaga mihitsy ny zava-mitranga fa tena mizotra araka ny drafitra efa napetrak’Andriamanitra
Inona kosa no ampianarin’ny Soratra Masina ny olona?
Amin’ny maha olona malemy ny olona, tsy tanteraka koa dia mora very hevitra izy, mora manadino koa ary tsy manisy lanjany izay rehetra nambara taminy. Rehefa ampahatsiahivina ny zava-nisy anefa dia afaka mahatsiaro tsara ihany. Araka izany dia mila fanamafisana hatrany ny zavatra rehetra ambara aminy ny olona. Marina mihitsy izany ilay nolazain’i Paoly hoe mahasoa ny olona ny hanaovana teny averina aminy (Fil 3. 1) satria tena mora manadino izy. Ambara eto koa fa ny olombelona dia tsy mino izay lazaina azy mihitsy. Ny marimarina kokoa dia izao: misy zavatra tsy mampino ny olombelona mihitsy izay zava- mitranga eo amin’ny fiainany, tahaka ity Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty ity. Tsy azo an-tsaina mihitsy izany hoe efa maty nefa mety velona indray.
Fehiny:
Tsarovy fa efa nitangana ny Tompo ary omeny ho an’ny olona izay mino Azy koa izany fandresena ny fahafatesana izany koa zava-dehibe ny finoana
Fanontaniana:
Tena mino ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ve ianao?
Foibe Sampana Sekoly Alahady