Aoka isika hisaotra mandrakariva ny TOMPO

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 09 Aprily 2026

Sal 122 / HF 11 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 428,1-2-3

1 Korintiana 15,50 - 58
50 Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana. 51 Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra, 52 fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana. 53 Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. 54 Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona* (Isa. 25. 8). [* Gr. voatelina ka resy] 55 Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao? (Hos. 13. 14). 56 Fa ny ota no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin'ny ota. 57 Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. 58 Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo.

Aoka isika hisaotra mandrakariva ny TOMPO

Raiso ny fanomezan’ Andriamanitra:

Nanome ny mpino fandresena Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy izay nahafoy ny ainy mba hitondra famonjena sy fanavotana ho an’ny olona. Novonoina i Jesoa Kristy nefa kosa nitsangana tamin’ny maty Izy ka resiny ny fahafatesana vokatry ny fahotana izay tena fandikan-dalåna nataon’ny olona. Omen’Andriamanitra ny mino amin’ny alalan’ny asam-pamonjena nataon’i Jesoa Kristy izany fanomezana izany ka omeny anjara amin’izany famonjena izany izay miaky ny helony sy mandray ary mino ny asam-pamonjena nataon’i Jesoa Kristy. Raiso àry ny fanomezan’Andriamanitra tao amin’i Jesoa Kristy, dia ny fandresena ny fahafatesana ka aza manaiky ho resin’ny tahotry ny fahafatesana intsony. Raiso koa ny fandresena fahotana ary aza mety andevozin’ny fahotana intsony.

Misaora an’Andriamanitra

Fahalalam-pomba tsotra ary tokony hataon’ny rehetra ny misaotra. Misaora amin’ny zavatra rehetra, hoy ny Soratra Masina, fa izany no sitrapon’ Andriamanitra (1Tes5.18). Raha nomen’Andriamanitra fandresena tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika tamin’ny nanolorany ny ainy ho fanavotana ny mpino, tsy rariny loatra ve raha tokony hisaotra Azy isika? Fantatsika fa ny ankizy dia ampianarina misaotra mandrakariva fa ny lehibe ve mahatsiaro ny maha zava-dehibe izany?

Fanontaniana:

Tsapanao ve ny fandresena nomen’ Andriamanitra ny mino Azy tao amin’i Jesoa Kristy?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Famonjena sy ampingantsika Andriaman...

Alarobia, 8 Aprily 2026

Alarobia 08 Aprily 2026 Sal 145,1-7 / Hira 16,1,2,3,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka…

Efa resy ny fahafatesana

Talata, 7 Aprily 2026

Efa resy ny fahafatesana Inona avy ny zavatra ambaran’ny Sotatra Masina eto izay mahakasika an’Andriamanitra?…

Tsara Mpiantoka ary tsy irery ny min...

Alatsinainy, 6 Aprily 2026

Tsara mpiantoka ary tsy irery ny mino Mahasoa ny olona ny manana an’Andriamanitra Rehefa avy…