DATY SADY FANASANA

1-Alahady 06 Janoary 2019 :

Fifamindram-pahefana  avy amin’ny  Filohan’ny FLM  ho an’ny Filohan’ny FJKM   amin’ny fitantanana ny Fiombonan’ny Fiangonana  Protestanta  eto Madagasikara (FFPM)  amin’ity taona 2019 ity . Izany dia hatao ny ny Alahady 06 Janoary 2019 , amin’ny 3ora ,ao amin’ny FJKM Atsimon’Imahamasina . Hisy koa ny fanolorana sy fiarahabana ny Tonia sy Mpandraharaha vaovao eo anivon’ny FFPM .

2-Talata 08 Janoary 2019 :

Fanompoampivavahana  iombonan’ny mpiasan’ny FOIBE  FJKM   ny  Talata 08 Janoary 2019, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany  izay hatao eny amin’ny  FJKM ANDRAINARIVO FAHASOAVANA .Hisy ny fanolorana  mariboninahitra MEDAILLE DE TRAVAIL  ho an’ny mpiasan’ny FOIBE  .Hatao mandritra izany fotoana izany koa ny fiarahabana ireo Ray amandreny :  Filohan’ny FJKM, Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe , ny Mpanatanteraka .

3-Alakamisy 10 Janoary 2019 :

Fanompoampivavahana  ho fitokanana ny RADIO FAHAZAVANA AMBATOLAMPY, izay hatao ny Alakamisy 10  Janoary 2019 ,manomboka amin’ny 9ora sy sasany , ao amin’ny FJKM ANTAMPOTANANA Ambatolampy , izay hanasana mpianakavin’ny finoana rehetra .

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV