SFL 40Taona/ Fanompoampivavahana .
 Fanolorana ny KOMITY FAHA 40 TAONA SFL
Noho ny fahasoavanâAndriamanitra dia feno 40 taona ny Sampana Fivondronana Laika ny taona 2019 ho avy izao. Hanatanteraka fanompoampivavahana isika ho fanolorana ny Komitinâizany Fankalazana izany ny Alahady 7 Oktobra 2018 izao manomboka aminâny 2ora sy sasany  hariva ao aminâny FJKM Tranovato Ambatonakanga( SP IA 19).
Koa fifaliana ho anâny Filoha sy Birao ary ny Tonianâny SFL ny manasa antsika vahoakanâAndriamanitra rehetra hifanotrona aminâizany fotoan-dehibe izany indrindra hiara-hientana isika aminâny fanorenana Tsangambato dia ny trano Fiangonana vaovao ao Befasy Morondava izany.
Ny antoko mpihira VFL rehetra te-handray anjara hira dia iangaviana mba hisoratra anarana any aminâny Foibe SFL var 502 na hiantso ny 034 95 526 27/033 41 086 45 alohanâny Alarobia 3 Oktobra 2018
Manantena ny fiombonantsika hatrany ry havana, ary ho tonga maro hanao ho zava-dehibe io fotoana io ho VoninahitrâAndriamanitra.
âAry izaho kosa haneho aminao ny finoako aminâny asakoâ Jakoba 2: 18b
SAMPANA FIVONDRONANA LAIKA (SFL)
Immeuble IFANOMEZANTSOA I Analakely
Rihana faha-5 varavarana 502Â B.P. 623 â Antananarivo 101
BFV N° 00005 210 002 687 51 89 BFV Antaninarenina
Tel 020 22 287 90 / 034 95 526 27 / 033 41 086 45
e-mail : Â sflfjkm@gmail.com
âInona no ataonareo mihoatra noho ny sasany.?â (Mat. 5,47b)