Alahadin’ny SFL / Fanasana

Fanompoampivavahana 

Ny Biraon’ny SFL sy ny Tonia dia faly manasa antsika rehetra hiara-hiombom-bavaka, hidera sy hankalaza an’Andriamanitra  noho ny Alahadin’ny Sampana Fivondronana Laika, izay hatao ny

ALAHADY 15 Jolay 2018 amin’ny
2 ora sy sasany tolakandro
ao amin’ny FJKM SOANIERANA – SPAA 11

Aoka samy iomana isika fa rakitra roa no hatao, ho fampandehanan-draharaha eto amin’ny SFL sy hanohanantsika ny ezaka Tsangambato faha-40 taonan’ny SFL, fanorenana trano Fiangonana ao Befasy. Amin’io fotoana io ihany koa no hanolorana amintsika ny Tonia vaovao.

Manantena ny fahatongavantsika maro ho fiaraha-mientana, ary hanao ho zava-dehibe io fotoana io ho Voninahitr’Andriamanitra.

Manao veloma antsika amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa.

“Raha fatra-paniry ny zava-panahy dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra” 1Kor 14.12

 Ny Filoha SFL   

RADAVIDSON ANDRIAMPARANY Benjamin

Ny Tonian’ny SFL

RAMANANA Fiainantsoa

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV