RAKOTOVAO Noro/ 20Taona maha- Mpitandrina
SAMPANA DORKASY FOIBE FJKM
RANTSANA TABITA
Noho ny fahasoavan’ Andriamanitra dia feno 20 Taona ny maha-Mpitandrina an-
dRamatoa RAKOTOVAO Noro ,
Talen’ny Centre TABITA .
Koa fifaliana ho an’ny Birao FOIBE DORKASY , ny Birao FOIBE TABITA, ny Komity ,ny FJKM Ambohinambo Fiderana ny manasa antsika mpiara-manompo rehetra tao amin’ny Fiangonana nentiny teo aloha , ny Sampana Dorkasy tsy ankanavaka ho tonga amin’ireto fotoana ireto :
-Sabotsy 14 Jolay 2018 , amin’ny 9 ora sy sasany , FJKM Andravoahangy Fivavahana , fotoana tarihan’ny Sampana Dorkasy FOIBE miaraka amin’ny Komity.
-Alahady 15 Jolay 2018 , amin’ny 9ora ao amin’ny FJKM Ambohinambo Fiderana , fotoana tarihan’ny SP Antananarivo Andrefana miaraka amin’ny Komity sy ny FJKM Ambohinambo Fiderana .
« mba hataon’ Andriamanintsika ho miendrika ny fiantsoana ianareo, ary hotanterahiny amin’ny hery ny fankasitrahana tsara rehetra sy ny asan’ny finoana » 2 Tes 1.11b