Pasteur RAZAKAMANANA Mercia / Fisotrondronono.
FANASANAÂ
Hiditra amin’ny fotoana hisotroany ronono ny Mpitandrina RAZAKAMANANA Mercia  rehefa nahavita ny asa fanompoana ny Tompo amin’ny maha-mpitandrina azy nandritry ny 26 taona. Ny fotoana hanokafana ny fankalazana an’Andriamanitra noho izay fisotroan-dronono izao dia ny Sabotsy 07 Jolay amin’ny 9 ora sy sasany maraina eny amin’ny FJKM ANOSIZATO HEBRONA.
 Ny Komitin’ny fisotroan-drononon’ny Mpitandrina dia manasa  ny mpianakavin’ny finoana rehetra mba ho tonga sy hifanotrona azy amin’io andro iray io.
Raha tsiahivina fohy :
        8 taona nampianarany tamin’ny Toeram-Panomanana Mpitandrina
- 4 taona tany Mandritsara
- 4 taona kosa tao Fianarantsoa.
4 taona ihany koa no nitondrany fiangonana tao amin’ny Fitandremana Peniela Ambodifasina Synodamparitany Iarivo Avaradrano.
Nandritra ny taona maro mandraka ankehitriny kosa no niasany tao amin’ny KPMS na Komitim-Pirenena Miady amin’ny Sida eo anivon’ny Foibe FJKM. Mpandrindra Mpanampy Nasionaly no andraikitra tanany ao anatin’izany.
Marihina fa ny Alahady 09 Desambra 2018 no ho fotoam-pamaranana ny fankalazana.