Pasteur RABEMILA / Jobily volamena

Ramatoa RABEMILA Yvette

Mankalaza ny jobily volamena faha-50 taona maha-Mpitandrina

«  Hisaotra an’i Jehovah lalandava aho ; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko ; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika. »  ( Sal. 34 : 1,3),

Io teny io no teny faneva entin-dRtoa RABEMILA Yvette mankalaza ny Jobily volamena faha-50 taona maha-Mpitandrina azy amin’ity taona ity. Teny amin’ny Fitandremana FJKM BETELA MAROBIBY, Synodamparitany Antananarivo Andrefana, no nanokafana izany Jobily lehibe izany ny Sabotsy 02 Jona 2018 lasa teo. Nitarika ny fotoana tamin’izany Andriamatoa RANDRIAMAMONJISOA Joelina, Mpitandrina, ary nitoriteny kosa ny Filohan’ny FJKM, IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina. Anisany navoitrany tao anaty hafatra ny amin’ny fahaizana mifaly, ny fiaraha-mifaly, ary ny fizarana ny fifaliana, fa ny fifaliana arakaraka ny hizaràna azy no hitomboany.

Ny 14 Jolay 2018 no ivon’izao fankalazana an’Andriamanitra noho izao Jobily volamena izao izay hotanterahina ao amin’ny FJKM AMPARIBE FAMONJENA, SP AA 10; ary ny 18 Novambra 2018 kosa, any amin’ny FJKM MANJAKANDRIANA, SP AA 12, no fotoam-pamaranana.

Gazety Marturia Vavolombelona

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV