Alahady MANGA 2018.

FANDAHARANA IOMBONANA 

Alahady 24 Jiona 2018

Feon-javamaneno fidirana 

  • Fiarahabana apostolika :  II Pet. 1: 2
  • Fiderana an’Andriamanitra : Sal. 108 : 1 – 5 (iaraha-mamaky)

                Hira :  45 : 1, 4

                Vavaka  fiderana

  • Fanambarana ny Sitrapon’Andriamanitra: Efe. 4 : 31 – 32

  Sambatra  ny  mahitsy  làlana

                 Hira:  210 : 2, 5

  • Vavaka fiaiken-keloka sy  fifonana

                 Hira:  F.F. 4 : 2, 3

  • Famelan-keloka atolotr’Andriamanitra:   3 : 10 – 11

Sambatra ny  olona  izay voavela  ny  helony ….

                 Hira : 489 : 1

  • Fanambarana ny Finoana: Fanekem-pinoana  laharana faha  3

                 *Feon-javamaneno  fohy*

  • Raharaham-piangonana
  • Rakitra – Hira : 29 (Fih.V.M.) na Sampana Vokovoko Manga na Antoko Mpihira

Fanolorana  ny  Rakitra

  • TENIN’ANDRIAMANITRA:
  • Fotoana ho an’ny ankizy – Hira : 786 : 1

               Hira :  428 : 1, 2

               Vavaka

         Vakiteny:  Jeremia   34 : 12 – 17

                            Matio         6 :   9 – 15

                            Romana   13 : 11 – 14

               Hira:  53 : 1, 4 (Fih.V.M.)

  • TORITENY

    Vavaka fangatahana  + Rainay Izay  any  an-danitra

  • Asa vavolombelona

               Hira : F.F. 33 : 2

  • Tsodrano 

       Hira : F.F. 33 : 3

 “Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.Amen”

………………………………………………………………………………………………………………………..

HAFATRA

Ry havana malala,

     «Ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy, Zanaky ny Ray, amin’ny fahamarinana sy ny fitiavana .»(II Jaona 3).

      Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva isika raha mahatratra izao Alahady Manga 2018 izao. Telo (3) taona izao no niasantsika tompon’ andraikitra voafidy ary ho avy sahady ny fanavaozana amin’io taona 2019 ho avy io.  Telo (3) taona ihany koa no niainantsika Sampana Vokovoko Manga ilay teny faneva hoe : « Ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria » (Daniela 12 : 3b). Fotoana hanaovana jery todika ny amin’ny fanatanterahana izany izao.

    Nanampy antsika hamaritra tetikasa hanatrarana io teny faneva io ny vinan’ny FJKM hoe : « Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara ». Mby aiza ny famerenana ny maro ho amin’ny fahamarinana araka ny Filazantsara? Rehefa voarain’ny olona sy iainan’ny olona marina ny Filazantsara, dia avelany ho azy ny ratsy rehetra, ka ao anatin’izany ny fidorohana zavamahadomelina, izay efa fantatry ny olona rehetra fa maro ny ratsy aterany. Efa hitanay ny ezaka ataon’ny Sampana Vokovoko Manga any amin’ny Fitandremana sy ny Synodamparitany sasany mamokatra ireo fitaovana notapahin’ny Zaikabe toy ny Raki-kira Vokovoko Manga, Ivotoerana fihainoana (centre d’écoute) , trakta sy dépliant. Isaorana ireo nahavita fa entanina hatrany ny isan-tSynodamparitany sy ny Fitandremana hamokatra ireny, araka ny fahafaha-manao eo am-pelantananareo.

      Tsy nitsahatra ny Sampana Vokovoko Manga Foibe mamatsy ireo Komity Foibe, hahazoany manofana ny tompon’andraikitra isan-tSynodamparitany sy isam-pitandremana. Tohizana hatrany izany mba hahatonga antsika Sampana Vokovoko Manga ho afaka mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana tokoa.

      Efa mivoaka ny Boky Fampiofanana Mpiandraikitra Rantsana Manokana. Endri-pitaizana maro azo hanofanana tompon’andraikitra isan-karazany ao amin’ny Fiangonana no voarakitra ao; fa tsy ho an’ny Sampana Vokovoko Manga ihany. Tena ilaina izy io amin’izao fanavaozana tompon’andraikitra ao amin’ny Fiangonana izao, hanofanana ireo olom-boafidy vaovao

      Misaotra an’Andriamanitra isika fa mitombo hatrany ireo mampiasa ny “Divaim-pandraisana” vita amin’ny voankazo. Hamafisina fa efa nahazo alalana tamin’ny Fanjakana (tamin’ny alalan’ny Ministera miandraikitra ny fanjifana) ny fahazoana manaparitaka azy, ary hitantsika amin’ny “etikety” eny amin’ny tavoahangy ny laharan’izany fanomezan-dàlana izany. Tsy mitsahatra izahay miangavy ny hampiasan’ny Fitandremana rehetra izany “Divaim-pandraisana” azo antoka izany ; fa tsy hividy eny amin’ny toeram-pivarotana zava-mahamamo intsony.

       Miomana amin’ny Fihaonamben’ny Rantsana Manokana isika amin’ity taona 2018 ity. Entanina ny mpikatroka Vokovoko Manga rehetra hifanotrona amin’ireny Fihaonambe ireny; fa tsy ny mpikambana ao amin’ilay Rantsana ihany no ho tonga any. Iarahantsika rehetra manatanteraka ny Fandaharam-potoana rehetra : fitoriana ny Filazantsara, fiofanana, fifaninanana,… Isaorana sahady ireo efa miomana amin’izany.

      Ampiomanina isika amin’ny  FIHAONAMBE any Sambava amin’ny Taona 2019. Efa vonona ny any an-toerana, fa miandry ny fahatongavantsika rehetra fotsiny sisa. Efa nampianarina isika fa hampidirina anaty tetibola isan-taona ny fiatrehana izany Fihaonambe izany, fa tsy amin’ny taona isian’ny Fihaonambe vao manao ezaka manokana.

       Mampahery antsika Kristiana rehetra amin’izao « Alahady Manga » izao. Natao alohan’ny Fetim-pirenena hatrany izy ity, hampahatsiahivana ny Malagasy fa azo atao tsara ny mankalaza fety tsy misy zava-mahamamo sy zavamahadomelina . Isika Kristiana rehetra no ho vavolombelon’izany, fa tsy ny mpikatroka Vokovoko Manga ihany. Afaka mifaly ary tena hifaly isika satria isan-taona ny Fankalazana izany Fetim-pirenena izany; saingy ho tandrovina mandrakariva ny maha tempolin’Andriamanitra ny tenantsika.

      « Aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fananenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana)  .» (Heb.10: 23). Ho aminareo mandrakariva anie ny Tompo !

                                              Ny Filoha     RANAIVOARISOA Tiarison,     Mpitandrina

Ny  Tonia :       RAKOTOMANANA Herintsoa Tahiry Mpitandrina 

Ifanomezantsoa faha 24 Avrily 2018

……………………………………………………………………………………………………………………………

NY ZANAKY NY MAZAVA VAVOLOMBELON’NY TOMPO

Romana 13 : 13

         Vanim-potoana ilàna ny fijoroana ho tena Kristiana ny vanim-potoana iainantsika ankehitriny. Marobe ny Malagasy mivavaka sy mitonona ho Kristiana; saingy voahidy ao anaty rindrin’efatry ny Fiangonana izany raha ny ankamaroany. Tsy voavaka intsony ny Kristiana sy ny tsy Kristiana eny amin’ny fiaraha-monina andavanandro. Efa fantatry ny Kristiana rehetra anefa fa ho avy Jesoa Kristy hitsara ny olona rehetra haramin’izay efa nodimandry. Mila miomana hiatrika izany fitsarana izany ny olona rehetra, ka mitaona ny Kristiana hitondra tena tsara araka an’Andriamanitra ity perikopa ity.

Mizara roa miavaka tsara ny Epistily ho an’ny Romana : ny toko 1 – 11 fampianarana ny zava-misy nilana famonjena sy ny nataon’i Kristy hahafaka izany, na Jiosy na jentilisa. Ny toko 12 – 16 kosa dia fitaomana ny olona rehetra hitondra tena amin’ny maha Kristiana azy ireo. Ao anatin’ity tapany faharoa ity no misy izao perikopa izao, izay fitaomana ny Kristiana hitondra tena tsara amin’ny maha Kristiana miandry ny fiavian’i Kristy. Manasongadina izany indrindra ny Rom.13 : 11 – 14 . Satria Alahadin’ny Sampana Vokovoko Manga izao, dia noraisina manokana ny ampahany amin’ny and.13 hoe : “Aoka isika hitondra tena tsara  toy ny amin’ny andro; tsy amin’ny filalaovan-dratsy, na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana, na amin’ny fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana, na amin’ny fialonana”, izay nofintinina amin’ny lohahevitra hoe : “Ny zanaky ny mazava vavolombelon’ny Tompo”. Hevitra roa ihany no ‘ndeha havoitrantsika miainga avy amin’izany :

    1.Manana fitondran-tena tsara ny zanaky ny mazava

Oharin’i Paoly Apostoly amin’ny alina feno aizina ny fiainan’ny olona tsy mahalala sady tsy manana an’i Kristy. Ao anatin’ny alina no manjaka ny asan’ny maizina, na ny faharatsiana rehetra. Ny zanaky ny alina na ny zanaky ny maizina dia miaina amin’ny fitondran-tena ratsy. Efa lasa anefa ny alina, efa maraina ny andro, efa tonga ny mazava ; nefa ireo zanaky ny maizina mbola miaina amin’ny fitondrantena ratsy ihany. Izany no anton’izao antso izao : “Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro”. Ny DIEM  dia mandika azy ity hoe : “Aoka isika hahay hitondra tena tsara toy ny amin’ny antoandro” ; hahalala menatra olona. Ny olona tsy mahalala henatra no maneho ny fitondran-tena ratsy ho hitam-bahoaka. Fiteny amin’ny andavanandro mihitsy, raha mahita olona manao fitondrantena ratsy imasom-bahoaka, ny hoe : “Mba mahalalà menatra olona”.

Ambaran’i Paoly Apostoly eto fa toy ny olona mbola matory izay mitondra tena ratsy. Tsy mahatsiaro tena ny olona matory; ka na sanatria mitanjaka aza izy dia tsy tsapany izany; fa izay tsy matory , na efa mifoha no mahita izany tsy mety izany. Izany no dikan’ny fitenenana hoe : “Lamban’ny matory, ka izay mahatsiaro no mandrakotra”. Paoly Apostoly no mahalala eto fa fitondrantena amin’ny maizina tsy fampiseho amin’ny antoandro ny fitondrantena ratsy  rehetra. Efa tonga anefa ny Mazava, dia Jesoa Kristy, izay nampiharihary ny ratsy sy nitarika ho amin’ny tsara. Efa fantatra ny fitondrantena mendrika ny zanaky ny mazava; ka fotoana indrindra izao hanariana ny asan’ny maizina, na ny fitondrantena ratsy  rehetra. Ambara eto fa ny zanaky ny mazava dia mitafy ny fiadian’ny mazava. Ireto  izany  fitafiana  fiadian’ny mazava izany raha araka ny fampianaran’i Paoly ho an’ny Efesiana : “…sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin’ny Filazatsaran’ny fihavanana ny tongotrareo; … tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipika mirehitra rehetra izay alefan’ilay ratsy. Raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy; ary mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy” (Efe.6 : 14 – 18). Raha fintinina dia ny fahamarinana no hetra amin’ny tehezana, ny rariny no fiarovan-tratra, ny fahavononana hihavana araka ny Filazantsara no kiraro amin’ny tongotra, ny finoana no ampinga, ny famonjena no fiarovan-doha, ny tenin’ Andriamanitra no sabatra ary ny vavaka no hery enti-miambina. Ny and.14 dia nadikan’ny DIEM hoe : “Fa itafio ny fiadian’i Jesoa Kristy Tompo, ka aza mety hotarihin’ny maha olona mpanota ho amin’ny filàn-dratsy”. Rehefa mitafy ny fiadian’ny mazava, rehefa mitafy ny fiadian’i Jesoa Kristy, dia tsy ho babon’ny filàn-dratsy intsony.

Ry havana malala, ny  Kristiana rehetra dia zanaky ny mazava avokoa, raha tena Kristiana efa mifoha. Tsy manana ota intsony izy noho ny famonjen’i Kristy efa noraisiny, satria ny voan’Andriamanitra no efa mitoetra ao anatiny. Fa mihoatra izany rehetra izany , tsy mahay manota intsony koa izy, satria efa naterak’Andriamanitra , ka tonga zanaky ny mazava. Manamarina ireo voalaza ireo ny voasoratraao amin’ny I Jao.3 : 9 hoe : “Izay rehetra naterak’Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny; ary tsy mahay manota izy, satria naterak’Andriamanitra.”. Manaitra sady mahagaga ny mbola mahita Kristiana tsy mitondra tena tsara. Mampametra-panontaniana hoe : “Voan’iza no mitoetra ao anatin’ireny ?” . Ny voa manko no hamantarana ny hazo; ka ny hazo ratsy ihany no mamoa voa ratsy. Asehontsika Kristiana fa hazo tsara isika, efa zanaky ny mazava ka mahay mitondra tena tsara amin’ny fahamendrehana rehetra. Tsy mila dradraina ho fanta-bahoaka izany, fa hitan’ny olona ataontsika eny na tsy miteny aza isika. Izany no maha vavolombelon’ny mazava antsika Kristiana: Kristy ao anatintsika no mampanao antsikany zavatra rehetra arak any sitrapon’Andriamanitra. Amin’izany, tsy isika intsony no miezaka araka ny herintsika hanao ny sitrapon’Andriamanitra; fa Kristy ao anatintsika no mampanao antsika ny sitrapon’Andriamanitra. Dia tanteraka ho azy ilay  ampahany ao amin’ilay vavaka nampianarin’ny Tompo hoe: “Hatao anie ny sitraponao ety an-tany ahaka ny any an-danitra”.

Faharoa manaraka izany :

  1. Mifady ny fitondrantena ratsy ny zanaky ny mazava

Hoy ny Apostoly Paoly eto : “Aoka isika hitondratena tsara tsy amin’ny filalaovan-dratsy, na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana, na amin’ny fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana, na amin’ny fialonana”. Ireo voatanisa ireo ny fitondrantena ratsy nahazo vahana tamin’ny fotoan’andro nanoratana ity Epistily ity. Samy nanao ireo avokoa na Jiosy, na jentilisa. Ampahatsiahivin’i Paoly Apostoly eto anefa fa efa zanaky ny mazava ireo anoratany; ka tsy nafeniny ireo tsy maintsy ariana . Saiky ateraky ny  fahamamoana avokoa ny ankamaroan’ireo  fitondrantena ratsy ireo :  ny filalaovan-dratsy, ny fijejojejoana na ny fihetsika tsy maotina, ny fifandirana na ny adiady. Maromaro ireo teny itaoman’i Paoly Apostoly ny Kristiana tao Roma hifady ny ratsy : hariantsika ny asan’ny maizina , hitondra tena tsara , aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filàny. Ity andinin-tSoratra Masina noraisina ity dia nampian’ny DIEM hoe : « ka hifady ny fanaranam-po sy ny fidorohana, ny fijangajangana sy ny fihetsika tsy maotina, ny adiady sy ny fifampialonana».

Araka ireo, manary ny fitondrantena ratsy, mifady ny fitondrantena ratsy ny Kristiana. I Petera dia nananatra ny Kristiana hoe : “mandositra ny fahalotoana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny filàna” (II Pet.1: 4). Ny mifady dia tena tsy mikasika mihitsy na dia kely aza. Nandà mafy i Petera indray andro raha nasain’Andriamanitra nihinana zava-padina. Tena tsy mety mihitsy izany ny mikasika zava-pady, na dia kely fotsiny aza. Toy izany no sary tian’i Paoly Apostoly ampitaina amin’ireo Kristiana tao Roma, raha tena hijoro amin’ny maha zanaky ny mazava azy ireo. Atao zava-pady ny fitondrantena ratsy; ka tsy azo andramana na kasihina mihitsy. Toy ny zavatra tsy ilaina intsony, efa mitovy amin’ny fako fanary ka ariana lavitra ny tena. Andosirana lavitra kosa hoy i  Petera, ary tsy iverenana intsony. Amin’i Petera, ny olona miverina amin’ny efa nialàny dia toy ny amboa sy ny kisoa, araka ny teniny hoe : “Ny amboa no miverina indray amin’ny loany ; ary ny kisoavavy efa nisasa dia mihosom-potaka indray” (II Pet. 2 : 22). Olona ny Kristiana, fa tsy sanatria alika na kisoa ka miverina amin’ny ratsy efa nialana.

Ry havana malala, maro ny fitondrantena ratsy nataontsika fony tsy mbola nahalala ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy ireto voatanisa ireto ihany, fa marobe ao amin’ny Soratra Masina, indrindra amin’ny Epistily nosoratan’i Paoly. Ireto no ‘ndeha hampahatsiahivina :

-Efe.4: 31 :”Esory aminareo ny fo lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra”,

-Kol.3: 8 – 9 : “Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin’ny vavanareo. Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ny asany”.

Ireny rehetra ireny dia fitondrantena ratsy tsy maintsy ariana avokoa. Misy anefa ireo efa milaza fa Kristiana, nefa mbola ahitana ireny toetra ratsy ireny. Mazava fa tsy mbola nesorina izany, ary tsy mbola natao zava-pady eo amin’ny fiainana. Efa nambara tery aloha fa ny zava-mahamamo dia isan’ny fototra iray mamokatra ireny faharatsiana ireny. Efa betsaka sahady izany ny zava-dratsy very rehefa mifady ny zava-mahamamo. Izanyno hitaoman’ny mpikatroka Vokovoko Manga ny olona rehetra hifady ny zava-mahamamo sy ny mahadomelina rehetra, indrindra ny Kristiana. Mampanao izay tsy noheverina hatao akory ny fidorohana zava-mahamamo sy ny mahadomelina : nitanjaka i Noa rehefa mamon-divay, nefa tsy tsaroany izany (Gen.9:21) ; nanambady ny zananivavy anankiroa i Lota rehefa mamon-divay, nefa tsy fantany izay nataony noho ny hamamoany (Gen.19 : 33, 35). Iray fadian’ny Kristiana ny zava-mahamamo dia efa betsaka ireo fitondrantena ratsy efa voafadiny. Na izany aza, fadiana avokoa ny fitondrantena ratsy rehetra hijoroantsika ho znaky ny mazava.

Ry havana malala, tena zava-dehibe hisehoantsika ho zanaky ny mazava sy hijoroantsika ho vavolombelon’ny mazava ny fitondrantena tsara ataontsika. Asehontsika amin’izany fa efa tena nanary ny fitondrantena ratsy isika ; ary efa tena mifady ireny koa. Maro no ho resy lahatra hanaraka antsika amin’izany, ary vonona hiatrika ny fiavian’i Kristy. Tanteraka ho azy ilay teny fanevan’ny Sampana Vokovoko Manga notapahin’ny Zaikabe hoe : “Ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana, dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria” (Dan. 12 : 3b). Ny fijoroantsika ho vavolombelona maha zanaky ny mazava, dia famirapiratana manaisotra ny maro amin’ny fitondrantena ratsy  sy ny asan’ny maizina rehetra. Miandry antsika ny manodidina antsika, indrindra amin’izao Fetim-pirenena izao. Mandehana tahaka ny zanaky ny mazava!

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV