Tanora mitafa

Salanitra ry tanora !

                                                              MBA MANDRAISA ANJARA !

Manan-draharaha lehibe izay tsy maintsy hefaina ny mpino Kristiana raha mbola miaina eto ambonin ‘ity  tany  ity, ka anisan’izany isika tanora, raha toa ka efa tena nanaiky an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy. Araka izany dia tokony atao laharam-pahamehana mandrakariva ny fanatanterahana ilay tenin’i Jesoa  hoe : « Mandehana any amin’izao tontolo izao hianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra » (Marka 16 :16). Ka Inona ary izany no baiko ampanaovin’i Jesoa antsika, manoloana izany teny izany ?

1)Mandehana :  izany hoe irahin’i Jesoa isika ho eny amin’ny toeran-kafa tsy voafetra ka mitodi-doha mizotra mankany amin’izay anirahany fa  tsy mijanona fotsiny eo amin’izay toerana misy antsika ankehitriny. Koa tsy maintsy atao izay fomba rehetra hahatongavana any na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana ary na lavitra na akaiky, eny fa na dia  manerana izao tontolo izao aza.

2)Mitoria : izany no midika fa ambarao, lazao, dradradradrao amin’ny olona rehetra tsy an-kanavaka any amin’ny toerana maro, faritra, vohitra, tanàna, fokontany, isan-tokantrano fa efa tonga Jesoa Kristy mba hamonjy izao tontolo izao ka Izy irery ihany no Mpamonjy, izay ilay atao hoe vaovao mahafaly na Filazantsara .

Fa mety hieritreritra angamba isika hoe : «Inona ny fomba ataoko mba ho fandraisan’anjara amin’ny fitoriana filazantsara ?». Fantaro fa betsaka ny fomba fiasa  hahazoana manatanteraka izany ; toy ny fanaovana Tafika Masina iarahana amin’ny fiangonana, sampana, fikambanana samihafa…sns ka   atao an-kalamanjana (voriana amin’ny toerana malalaka ny olona) na tetezina isan-trano. Eo koa ny «Proclaim’s to geither » fitoriana mivantana amin’ireo mpianatra eny amin’ny Oniversité na koa amin’ny sehatra samihafa araka izay mampalalaka azy. Koa araraoty ny fanatrehana ireny karazam-piofanana momba ireny Tafika Masina ireny izay hahazoana traikefa sy fahaiza-manao izany, tsarovy anefa fa ny herin’ny Fanahy Masina irery ihany no ianteheranantsika mba hampianatra sy hitarika ary hanohana amin’ny lafiny rehetra, araka ny tenin’i Jesoa «Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria  ary hatramin’ny faran’ny tany » (Asa 1 :8)

Farany, aza mionona fotsiny hoe mpivavaka tsotra ao am-piangonana fa mandraisa anjara amin’ny Asa Fitoriana Filazantsara, indrindra fa amin’ny fanaovana Tafika Masina mivantana. Araraoty ny fahatanorana ka aza mikely aina fa mandehana ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra, manomboka ao amin’ny ankohonana misy antsika hatrany amin’ny faran’ny tany.

Ry  Tanora namana, raha Tanora Taratry ny Filazantsara isika dia mandraisa anjara ka vontosy  filazantsara  ny Nosy Masagasikara !

                                                                          RAJAOFERA Fanomezantsoa Narindra

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV