DORKASY / Lasy tselatra I

TATITRA SY VAOVAO 

Lasy tselatra voalohany no notanterahin’ny sampana DORKASY FJKM tao amin’ny FJKM Ankadifotsy ( SP Iarivo avaradrano  19 ) ny Alakamisy 01 Febroary 2017 .

Nitarika ny Fanompoampivavahana ny Filohan’ny Dorkasy SP 19 , ny Mpitandrina HAINGOMAMPIANINA  Volanasoa .

Nitondra ny fanazavana ny Mofonaina nalaina tao amin’ny DEO 21.18-21 ,  RANDRIAMANANA Valimbavaka , Mpitandrina  Filohan’ny Dorkasy FOIBE .Nohazavainy tamin’izany fa ny  fihainoana anatra dia mahavelona fa ny tsy fihainoana kosa mahafaty . Koa aoka hankato ny fananarana avy amin’ny  Tenin’ Andriamanitra isika mba hahazo fitahiana .

Ny Fampianarana  kosa dia naompana tamin’ny lohahevitra hoe: « Fitantanana  tokantrano mahomby » , izay novelabelarin’ny Mpitandrina ANDRIAMAMPIANINA  Zaka , sady BMF rahateo. Ny vehivavy dia « manager » voajanahary . Rehefa ny vehivavy no tsy mahay mitantana tokantrano dia efa ho lehilahy izy izay .

Roa no tanjona eo amin’ny fitantanana atao  dia ny fananana « zotra na vina » (SENS) sy fananana « faniriana » (ENVIE).Ny mahavariana amin’ny sampana Dorkasy , hoy ny mpandahanteny dia manana « envie » hatrany izy ireo ,na misy na tsy misy lehilahy . Ao hatrany ny zotompo mamonjy fivoriana sy manao ny asa fanompoana .

Nandritra izany lasy tselatra izany no  nanatanterahana ny fankasitrahana ny Mpitandrina RASENDRAHASINA Lala Haja mivady , Filohan’ny FJKM teo aloha , izay nanentanana ny isam-pitandremana mba hanao araka izay atao ho fanehoam-pitiavana noho ny fiaraha-miasa tamin’ny sampana Dorkasy .Ramatoa RATSIMANDRESY Esther , vadin’ny Filohan’ny FJKM ankehitriny no nitarika izany fotoam-pankasitrahana izany .

Marihana fa tonga nanatrika izany fotoana izany  sady nanao ny fanentanana mifanandrify amin’izany  ny Filohan’ny Jobily faha-50 FJKM sy ny faha- 200T nidiran’ny LMS teto Madagasikara , Andriamatoa RAVALOMANANA Marc .Nofaranana tamin’ny fiaraha- misakafo ny fotoana

Sahondramalala Vololona 

AFIFAB/Site web

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV