SAMPATI / vaovao ampitaina

« Aoka hirehitra ny jironareo » Lio.12:35

Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika fa tanteraka soamantsara ny fotoana tetsy Mahamasina ny Alahady 21 Jan.2018 ho fitondrantsika am-bavaka ny taom-piasana FJKM 2018 sy ny fitondrana am-bavaka ny filohan’ny FJKM.Isaorana isika SAMPATI FJKM fa tena mahafinaritra ny ezaka nataontsika, tsara ny fandraisana andraikitra nataontsika, tonga maro isika … Tena mahafaly tokoa… Tohizo r’se!Tsy nasakana antsika ny orana, satria marina tamintsika tokoa ny tononkirantsika hoe: « na andro merika, na oram-baratra; tsy mahasakana….. »Mitohy hatrany ary ny hetsika am-bavaka sy fijoroana vavolombelona ataontsika ho fanabeazana. Ao amin’ny FJKM Atsimon’i Mahamasina, ny Asabotsy 03 Fév.2018 amin’ny 2 ora:- Fitondrana am-bavaka ny Taom-piasana SAMPATI 2018- Fanolorana sy fitondrana am-bavaka ny Tonia SAMPATI Foibe- Fanolorana ireo Komity faha-25 Taona SAMPATI.Aoka ary hifanentana isika.Hitarika ny fotoana ny Birao Foibe SAMPATIHitory ny Tenin’Andriamanitra ny SEKRETERA JENERALY FJKM, Ny Mpitandrina RADIMISAON Jonah.Isika SAMPATI avy amin’ny Faritany na synodam-paritany dia handefa solontena.Isika eto Antananarivo sy manodidina kosa dia ho tonga avokoa.Ry mpanabe malala, raiso izao vina izao

SAMPATI FJKM, HETSI-PANABEAZANA

HO FAMPANDROSOANA NY FIANGONANA SY NY FIRENENA

Ry mpanabe malala, ampiharo izao tanjona izao:SAMPATI – Vavolombelon’i Kristy – Vonona – Vanona – Mandray andraikitra.

 » Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao » Mat.5:14  » Koa amin’ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara  » Tit.2:7

RANDRIAMANANTENA SOLO

Jean Jacques Séraphin Jhons, Mpitandrina

Tonia SAMPATI FOIBE

034 90 163 67

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV