Efa akaiky ny fiavian’ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 06 Novambra 2026
Sal.27,1-6 / Hira 486.1,3.5 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 643
Hebreo 10,32 - 39
32 Fa tsarovy ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin'ny fahoriana, rehefa nohazavaina ianareo; 33 indraindray raha natao ho fizaha noho ny fanaratsiana sy ny fampahoriana ianareo, ary indraindray koa raha tonga naman'izay azon'izany. 34 Fa sady niara-niaritra tamin'izay nifatotra ianareo no nifaly raha norobaina ny fanananareo, satria fantatrareo fa ianareo dia manana fananana tsara lavitra sady maharitra*. [* Na: fa ianareo dia manana ny tenanareo ho fananana tsara lavitra sady maharitra] 35 Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe. 36 Fa tokony hanana faharetana ianareo raha hahazoanareo izay lazain'ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon'Andriamanitra. 37 Fa "rehefa afaka kelikely, Dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra" 38 Ary "ny oloko marina* dia ho velon'ny finoana;" Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko (Hab. 2.3, 4). [* (ny marina)] 39 Fa isika tsy mba naman'izay mihemotra ho amin'ny fahaverezana, fa naman'izay mino ho amin'ny famonjena ny fanahy.Efa akaiky ny fiavian’ny Tompo
Izao mofonaina izao dia fampaherezana ny Kristiana ao anaty fanenjehana sy ady ara-panahy ka ilazana fa efa akaiky ny fiavian’ny Tompo, noho izany:
1. Aza mihemotra (And.39a)
Ny fihemorana eto dia mitarika ho amin’ny fahaverezana. Maro ny toe-javatra eto an-tany mety hampihemotra ny Kristiana, toy ny fahoriana (and.32), ny fanaratsiana sy ny fampahoriana (and.33), ny fifatorana sy ny fandrobàna (and.33), sy ny maro hafa. Ny faharetana ao amin’i Kristy irery ihany no fanalahidy mba tsy hiverenana an-dalåna raha sendra ny iray amin’ireo voatanisa na hafa koa. Izany faharetana izany dia miorina amin’ny fampanantenana omen’Andriamanitra tao amin’i Jesoa Kristy, tsara lavitra sady maharitra. Tsarovy fa ny karazam-pahoriana rehetra dia nentin’i Jesoa Kristy avokoa, ary noreseny na dia ny fahafatesana aza. Koa aza mihemotra raha tojo ny iray amin’ireny.
2. Mandrosoa amin’ny finoana (And.39b)
Mila mandroso mba hanoherena ny fihemorana. Ny Finoana dia mitondra ho amin’ny famonjena ny fanahy. Ny finoana dia mifamatotra amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ny Tompo dia mahatoky ka tsy mivadika amin’izay lazainy satria tsy mba olombelona Izy ka hitana ny teny nomeny. Izay ambarany rehetra dia tanterahany avokoa. Ny fankatoavana ny sitrapon’ Andriamanitra sy fiainana amin’ny finoana ny Teniny no andrasana amin’ny mpino. Tena atao fiainana izany fa tsy miserana na mandalo fotsiny ihany. Vokany, mitombo amin’ny fahalalana ny Soratra Masina sady miorim-paka ao amin’i Kristy ny finoana, ary feno fahatokiana ny Tompo izay mankato Azy, sady mandroso sy mizotra amin’ny lalan’ny famonjena.
Fanontaniana:
Inona no sakana tsy handrosoanao amin’ny finoana?
Foibe Sampana Sekoly Alahady