Ny fivavak’i Jesoa

Mofonaina anio: Talata, faha 27 Oktobra 2026

Sal.43. 1-5/HF 12/ Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/HF 29

Lioka 22,39 - 46
39 Ary nivoaka Jesosy, koa araka ny fanaony dia nankao an-tendrombohitra Oliva Izy, ary ny mpianatra koa nanaraka Azy. 40 Ary raha vao tonga tao amin'izany tany izany, dia hoy Izy taminy: Mivavaha mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy. 41 Ary Izy nihataka taminy tokony ho indray mitora-bato, dia nandohalika ka nivavaka hoe: 42 Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao. 43 Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy. 44 Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny rà nipotrapotraka tamin'ny tany. 45 Ary nony nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankeo amin'ny mpianatra ka nahita azy matorin'alahelo. 46 Dia hoy Izy taminy: Nahoana no dia matory ianareo? Mitsangàna, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy.

Ny fivavak’i Jesoa

1- Fototry ny fiainana

« Ary nivoaka Jesoa, araka ny fanaony dia nankao an-tendronibohitra Oliva Izy, (and. 39)

Eto dia voalaza fa « araka ny fanaony ». Efa fiainana mahazatra an’i Jesoa mihitsy ny mivavaka. Manana fotoana raikitra i Jesoa ivavahana ary any an-tendrombohitra Oliva no fanaovany izany.

Fotoana manokana no eto, satria mialohan’ny hiatrehany ny hazofijaliana. Fianarana ho antsika izany, tokony hanana fotoana raikitra ny mpino tsirairay ivavahana amin’Andriamanitra, indrindra rehefa hiatrika zava-tsarotra eo amin’ny fiainana. Vavaka fototry ny fiainana; vavaka anorenana ny fiainana manontolo.koa manokàna fotoana ivavahana, indrindra rehefa hiatrika zava-tsarotra.

2- Manaiky ny sitrapon’ny Ray

« Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny anao » (and. 42)

Ny hoe « kapoaka » eto dia midika ho fahoriana. Kanefa tamin’izany, dia nametraka ny sitrapon’Andriamanitra Ray ho ambony Izy. Tsy nanery ny Ray hanatanteraka ny sitrapony i Jesoa fa manaiky ny sitrapon’ny Ray, na dia tsy araka ny hetahetany aza. Toy izany ihany koa isika rehefa mivavaka, tsy manery an’Andriamanitra, fa manaiky izay sitrapony, satria efa valim-bavaka sahady izany. Ary izany no nanjo an’i Jesoa teto, na dia nandohalika aza i Jesoa, izay midika ho nafoy tanteraka, dia tsy nesorin’Andriamanitra ny kapoaka.

Fanontaniana:

Inona ireo fahadisoan-kevitra momba ny vavaka fanatatrao?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Ny vavaka

Alatsinainy, 26 Oktobra 2026

Ny vavaka 1- Mitondra fanasitranana « Ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa…

Ny olona misafidy hanompo an’Andriam...

Alahady, 25 Oktobra 2026

Ny olona misafidy hanompo an’Andriamanitra 1- Miditra ao an-tranony « Dia niakatra ho ao an-tranon’i Jehovah…

Ny olona misedra fanenjehana

Asabotsy, 24 Oktobra 2026

Ny olona misedra fanenjehana 1- Mitoky amin’ny fahefan’Andriamanitra « Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra…