Ny olona misedra fanenjehana
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 24 Oktobra 2026
Sal.92. 1-3/ Hira 16 1, 4/ Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/HF 47
Asan'ny Apostoly 4,23 - 31
23 Ary rehefa nalefa izy roa lahy, dia tonga teo amin'ny namany ka nanambara izay rehetra nolazain'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona taminy. 24 Fa rehefa nandre izany izy ireo, dia niara-nanandratra ny feony ho amin'Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, 25 ary ny Fanahy Masina no nampitenenanao an'i Davida razanay sady mpanomponao hoe: Nahoana no mitabataba ny jentilisa, Ary misaina anoano foana ny firenena? 26 Ireo mpanjakan'ny tany nitsangana, Ary ny mpanapaka niangona Hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany (Sal. 2. 1, 2). 27 Fa efa niangona marina tokoa teto amin'ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin'ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao* Masina, dia Jesosy Izay nohosoranao, [*Na: ny Zanakao] 28 mba hanao izay notendren'ny tananao aman-tsainao rahateo hatao. 29 Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin'ny fahasahiana rehetra, 30 omban'ny aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin'ny anaran'i Jesosy, Mpanomponao* Masina. [*: Na: Zanakao] 31 Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.Ny olona misedra fanenjehana
1- Mitoky amin’ny fahefan’Andriamanitra
« Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin ‘izay rehetra ao anatiny » (and. 24)
Fehezanteny voalohany tamin’ny tonom-bavaka nataon’ny mpianatra nanoloana ny fanenjehana nataon’ny manam-pahefana azy ireo izany. Vavaka mikendry fahatokiana; vavaka fiombonana maneho ny fahefan’ Andriamanitra. Ary izany no nampihovitrovitra ny trano. Araka izany, rehefa mivavaka isika dia mila miombona sy miray saina, atomboka amin’ny fanekena ny fahefan’ Andriamanitra. Andriamanitra no mifehy ny hery ara-panahy rehetra, manara-maso ny raharaha ara-politika, ary mifehy ny korontana mety hitranga. Koa aza hadinoina ny mivavaka hoe « Andriamanitry ny lanitra ô!… ».
2- Sahy mijoro vavolombelona
« Ary feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana » (and. 31)
Rehefa avy nivavaka ry Petera sy ny namany izay niangona dia feno ny Fanahy Masina. Ary vokatry ny asan’ny Fanahy Masina, dia « nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana » izy ireo. Ny herin’ny Fanahy Masina no nahatonga azy ireo sahy nijoro ho vavolombelon’ny Filazantsara. Toy izany ihany koa isika, raha tiana ny hitory Filazantsara ao anaty fanenjehana dia angataho ny asan’ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina no mampahery, manome fahasahiana; Izy no manafaka ny tahotra ao anatin’ny olona sy manome fahasahiana hitory an’i Kristy.
Fanontaniana:
Inona no tokony hatao raha miatrika fanenjehana?
Foibe Sampana Sekoly Alahady