HAFATRY NY MF 03 SL XX
Ampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy To mpo, ary ny
firaisana arnin’ny Fanahy Masina.
Isaorana anie ny Tompo Andriamanitsika, izay mampahery antsika ka ahazoantsika miroso hatrany amin’ny asa fanompoana nanendreny antsika, na dia eo aza ny zava-tsarotra samihafa atrehintsika.
Amin’ny maha vavolombelona sy mpaminany ny Fiangonana, ny Mpiandraikitra Foibe izay nanatanteraka ny fivoriana ara
potoana fahatelo, ta o amin’ny CFD Ampandrana. ny 14 ka hatramin’ny 21 Oktobra 2026, dia mitondra izao hafatra izao:
MOMBA NY FIAINAM-PIANGONANA
Fampiorenam-pinoana sy fampamokarana : ireo no tongotra roa ijoroantsika FJKM sy entintsika mijoro ho vavolombelona amin’ny teny sy amin’ny asa. Isaorana Andriamanitra fa mizotra tsara mifanaraka amin’izany foto-kevitra izany ny asan’ny fiangonana eo ambany fitarihan’ny Departemanta efatra, tsaroana ho tanteraka amintsika ny teny manao hoe: « Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. » (Fil 2, 13). Ampaherezina sy ampirisihina hatrany isika amin’ny adidy sy asa samihafa, ary ampiomanina sahady ny amin’ny Synoda m -pinoana ny taona 2027.
Hanao fankalazana an’Andriamanitra manokana sy miavaka isika noho ny faha-60 taona nijoroan’ny FJKM. Efa tafatsangana ny Komity hitarika antsika amin’ izany. Ankoatra ny Tafika Masina lehibe hotanterahina amin’ny taona 2028 dia hanorina trano lehibe isika ho tsangambaton’izany fankalazana an’Andriamanitra izany. Hampitaina amintsika miandalana ny fandaharam-potoana sy ny hetsika hiaraha-mientana momba izany.
Efa mijoro ara -panjakana ihany koa ny Kitapo Iombonan’ny Fampamokarana, na K.I.F. Fomba enti-manamafy orina ny firaisankina sy fifanohanana ary ny fitantanana ny loharanon-karena iombonana izany. Koa entanina ny Fitandremana sy ny Synodamparintany, ny Sampana sy ny Sampanasa ary ny kristiana tsirairay mba handray anjara sy hanohana tsy amim-pisalasalana izany, araka ny fanomezam-pahasoavana sy ny fahafahan’ny tsirairay manao izany.
Manome lanja hatrany ny fanabeazana sy ny fampianarana ny Fiangonana, koa ampaherezina sy ampirisihina hatrany koa isika hanohana ny Sekoly, ary raha azo atao dia hanokatra Sekoly, na amin’ny seha-pampianarana ankapobeny, na Sekoly Teknika. Momba ny rafi-panabeazana dia mifanohana sy miray fo amin’ny Sekoly tsy miankina manerana an’i Madagasikara ny Sekoly FJKM.
MOMBA NY FIAINAM-PIRENENA
Ny Fiangonana no omen’ny Tompo andraikitra ka nilazany hoe: << Ianareo no fanasin’ny tany … ianareo no fahazavan’izao tontolo izao » (Mat 5, 13.14). Koa sahia mandà sy manohitra ny kolikoly sy ny endri-pahalovana rehetra ka hijoro amin’ny fahamarinana. Ankoatra izany dia handray anjara mavitrika isika amin’ny Fikaonan-doham-pirenena, araka ny andraikitra nomen’ny fanjakana ny FFKM hitarika izany. Koa entanina isika kristiana rehetra handray anjara any amin’ny isan’ambaratonga manandrify antsika avy : Fokontany, Kaominina, Distrika sy Faritra ary ny sehatra Nasionaly. Ankoatra ny olona telo (TRIO) antsoin’ny FFKM ho tompon’andraikitra hitarika sy handrindra isan’Ambaratonga, dia isika kristiana rehetra mihitsy no aoka hijoro handray anjara amin’ny dinika amin’izany fikaonan-doham-pirenena izany. Ny lamina rehetra momba izany dia ho fantatsika any amin’ny toerana sy sehatra misy antsika avy, araka ny fandrindrana ataon’ny FFKM. « Mahereza àry, ka aoka hitombandahy isika ho an’ny firenentsika » (2 Sam 10, 12).
Eto am-pamaranana dia mirary Krismasy feno fiadanana ho antsika, mba hitondra antsika ho amin’ny fanantenana mandrakariva izany, ka hiandrandra taona vaovao heniky ny fifaliana isika amin’ny 2027. « Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitombaanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina. » (Rom 15, 13)
Antananarivo, faha 21 Oktobra 2026
Amin’ny anaran’ny Mpiandraikitra Foibe,
Ny Filoha,
ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, Mpitandrina
