Meteza hiasa amin’ny finoana

Mofonaina anio: Alarobia, faha 09 Septambra 2026

Sal 124.1-6 / Hira 21 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 645.4

1 Samoela 17,45 - 47
45 Fa hoy kosa Davida tamin'ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny miaramilan'ny Isiraely, Izay efa nohaikainao. 46 Anio no hanoloran'i Jehovah anao amin'ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin'ny miaramilan'ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely. 47 Ary ho fantatr'izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen'i Jehovah; fa an'i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy.

Meteza hiasa amin’ny finoana

1- Ampiasao ny Anarany (and.45)

Nampihorohoro fatratra an’i Saoly sy ny miaramilany rehetra i Goliata satria sady goavana no matanjaka. Teo anatrehan’izany anefa dia tsy nihemotra tamin’ny fahavononany i Davida fa niroso hifanandrina aminy. Hoy i Davita taminy: « Hianao manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; « fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’ny Isiraely, Izay efa nohaikainao » (and.45). Ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra dia midika ho fahatokiana Azy, famelana Azy haneho ny heriny amin’izay rehetra kasaina sy tanterahina. Ampianarin’i Jesoa isika mpanara-dia Azy mba hampiasa ny Anarany amin’ny zavatra rehetra izay atao: amin’ny ady amin’ny devoly, ny asa fanasitranana ny marary, amin’ny zavatra tiana hangatahina, araka ny voasoratra hoe: « Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin’ny Zanaka. (Jao 14.13)

2-Mba ho fantatry ny tany rehetra ny Tompo (and.46d)

Ny asa atao amin’ny finoana dia tsy isalasalana fa ahitam-pahombiazana. Raha mifanandrina amin’ny devoly fahavalo isika, ka miandany amintsika Andriamanitra dia ho mpandresy mandrakariva isika. Ny fandresen’i Davida no fampahafantaran’ Andriamanitra ny Anarany amin’ny firenena rehetra. Isika koa dia manoatra noho ny mpandresy amin’ny alalan’ilay tia antsika, dia Jesoa Kristy (Rom 8.37). Ny fandresena azontsika no mahatonga ny olona hahalala sy hatahotra ary hanompo an’Andriamanitra velona.

Fanontaniana:

Rehefa amin’ny fotoana manao ahoana no amplasain ‘ny olona ny anaran’ Andriamanitra?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Meteza hiasa amin’ny finoana

Talata, 8 Septambra 2026

Meteza hiasa amin’ny finoana 1- Aza mihemotra (and.1-6) Ny olona mihemotra dia izay efa nino…

Meteza hiasa amin’ny finoana

Alatsinainy, 7 Septambra 2026

Meteza hiasa amin’ny finoana 1- Ialao ny fihatsaram-belatsihy Rehefa niverina avy tany Jerosalema i Jesoa…

Meteza hiasa amin’ny finoana.

Alahady, 6 Septambra 2026

Meteza hiasa amin’ny finoana. 1- Inona moa ny finoana? « Ary ny finoana no fahatokiana ny…