Meteza hiasa amin’ny finoana

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 12 Septambra 2026

Sal 105.1-5 / Hira 172 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 639

2 Timoty 2,1 - 11
1 [Famporisihana an'Timoty haharitra tsara, na dia azom-pahoriana aza] Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Kristy Jesosy. 2 Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa. 3 Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran'i Kristy Jesosy. 4 Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin'ny raharahan'izao fiainana izao. mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila. 5 Ary raha misy manezaka amin'ny filalaovana, dia tsy satrohana satro-boninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna. 6 Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra. 7 Diniho izay lazaiko, fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin'ny zavatra rehetra ianao. 8 Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin'ny maty, dia Ilay avy tamin'ny taranak'i Davida, araka ny filazantsarako, 9 izay iaretako fahoriana hatramin'ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin'Andriamanitra dia tsy mba voafatotra. 10 Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin'ny olom-boafidy, mba hahazoan'ireny koa famonjena. dia izay ao amin'i Kristy Jesosy. mbamin'ny voninahitra mandrakizay. 11 Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa;

Meteza hiasa amin’ny finoana

1- Ataovy izay hitohizan’ny asa fanompoana (and.2)

Tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly ity epistily ho an’i Timoty ity dia nahery vaika ny fanenjehana ny fivavahana kristiana. Nosamborina i Paoly, ary nogadraina tany Roma. Ny zavatra nampanahy azy mafy ny fitohizan’ny asa fanompoana izay efa natombony, satria efa mby akaiky ny fotoana hahafatesany. Izany no nahatonga azy hanoratra mba hampahery an’i Timoty zanany ara-panahy ka nilazany hoe: « Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa. » (and.2). Ny mpanompo mahatoky amin’ny fitoriana ny Filazantsara día mihevitra sy misaina hitohizan’ny asa izay efa natombony ka mametraka andraikitra amin’izay heveriny handimby azy.

2- Aoka ho vonona hiaritra sy haharitra (and.3-11)

Tsy maintsy hiaritra fijaliana ny fanarahana an’i Kristy, hisy ny ady tsy maintsy hatrehina. Tahaka ny miaramila handeha hanafika ny mpanompon’Andriamanitra, ka ny zavatra tsy maintsy himasoany dia izay hahafaly sy hahatanteraka ny iraky ny lehibeny, fa tsy izay tiany hatao; tahaka ny mpifaninana amin’ny hazakazaka, ka tsy maintsy manaraka ny fitsipika mifehy ny fifaninanana izy raha toa ka te hahazo ny amboaran’ny fifaninanana. Takiana aminy koa ny fananana faharetana, tahaka ny mpamboly izay miasa mafy sy misasatra. Azo antoka fa tsy very maina ny fiaretana noho ny amin’i Jesoa Kristy, « …fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa. » (and.11)

Fanontaniana:

Inona no fijaliana efa niaretanao noho ny amin ‘i Jesoa Kristy?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Jesoa no fiainana

Zoma, 11 Septambra 2026

Jesoa no fiainana (and.35) 1- Izay manatona Azy tsy mba ho noana…(and.35) Rehefa nihaona tamin’i…

Meteza hiasa amin’ny finoana

Alakamisy, 10 Septambra 2026

Meteza hiasa amin’ny finoana 1- Ny olona miasa amin’ny finoana dia tsy misy mahasakana. Ity…

Meteza hiasa amin’ny finoana

Alarobia, 9 Septambra 2026

Meteza hiasa amin’ny finoana Ampiasao ny Anarany (and.45) 1-Nampihorohoro fatratra an’i Saoly sy ny miaramilany…