Meteza hiasa amin’ny finoana
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 05 Septambra 2026
Sal 67 / Hira 167.1.3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 19
Salamo 127,1 - 5
1 [Ny fahatsinontsinon'ny ataon'ny olona, raha tsy ambinin'Andriamanitra] Fihirana fiakarana*. Nataon'i Solomona. Raha tsy Jehovah no manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna, Dia miari-tory foana ny mpiambina.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga] 2 Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina Sy ny alim-pandry Ka homana ny hanina azo amin'ny fahasahiranana; Izany anefa dia omeny ihany ho an'ny malalany, na dia matory aza izy. 3 Indro, lova avy amin'i Jehovah ny zanaka maro; Tamby ny ateraky ny kibo. 4 Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan'ny mahery Ny zanaky ny fahatanorana. 5 Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin'ireny; Tsy ho menatra ireny, raha mifamaly amin'ny fahavalo eo am-bavahady.Meteza hiasa amin’ny finoana
Ity Salamo ity dia mitarika antsika hahatsapa ny fikarakaran’ Andriamanitra ny fiainan’izay rehetra mino Azy:
1- Andriamanitra no mahatanteraka ny fikasana rehetra
Raha tsy eo ny fitahian’Andriamanitra dia tsinontsinona ny ezaka sy ny fisasarana rehetra ataon’ny zanak’olombelona. Mitahy sy miaro antsika Izy, ka miasa hahatanteraka izay rehetra kasaintsika. Hoy ny mpanao Salamo: « Raha tsy Jehovah no manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina my tanana, dia miari-tory foana ny mpiambina » (and.1). Tsy midika anefa izany fa tokony hipetra-potsiny isika. Tian’ Andriamanitra hiasa sy hisasatra isika, mila fialan-tsasatra koa anefa isika amin’ny fotoana sasany ho fitsimbinana ny aina. Taomina isika mba hiankina Aminy ka hiasa amin’ny finoana, fa Izy no mitahy antsika mba hahatanteraka izay kasaina rehetra.
2- Izy no loharanom-pitahiana
Tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha dia noraisina ho fitahiana avy amin’Andriamanitra ny fananana zanaka maro. Izany no ilazan’ny mpanao Salamo hoe: « Indro, lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro; tamby ny ateraky ny kibo » (and.3). Misy koa ny milaza fa harena ny zanaka… Teo amin’ny Jiosy dia noheverina fa misy tombony kokoa ny fananana zanaka raha mbola tanora. Ny anton’izany dia ny hahatonga azy hahaleo tena mialoha ny fahanteran’ny ray aman-dreny (and.4). Adidin’ny ray aman-dreny ny mitaizą ny zanany ho tia sy hatahotra an’Andriamanitra, hankato izay rehetra lazain’ny Tenin’Andriamanitra. Mitondra fitahiana ho an’ny olona sady reharehan’ny ray aman-dreny ny fananana zanaka miara-mandeha amin’Andriamanitra.
Fanontaniana:
Mety amin’ny Kristiana ve ny fanaovana fanabeazana aizana? Hazavao ny hevitrao,
Foibe Sampana Sekoly Alahady