Ny asa fitoriana ny Filazantsara

Mofonaina anio: Zoma, faha 04 Septambra 2026

Sal 125 / HF1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 643

2 Korintiana 4,7 - 18
7 Fa manana izao rakitra izao amin'ny vilany tany izahay, mba ho an'Andriamanitra ny halehiben'ny hery, fa tsy ho avy aminay. 8 Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo; 9 enjehina, nefa tsy nafoy, potraka, nefa tsy maty; 10 mitondra ny fahafatesan*'i Jesosy mandrakariva ao amin'ny tena izahay, mba haseho ao amin'ny tenanay koa ny fiainan'i Jesosy. [*Gr. ny famonoanana an'] 11 Fa izahay izay velona dia atolotra ho amin'ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin'i Jesosy, mba haseho ao amin'ny nofonay mety maty koa ny fiainan'i Jesosy. 12 Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo. 13 Ary satria manana izany fanahin'ny finoana izany indrindra izahay, araka ny voasoratra hoe: Nino aho, ka dia niteny (Sal. 116. 10), dia mino koa izahay ka miteny; 14 fa fantatray fa Izay nanangana an'i Jesosy Tompo no hanangana anay koa miaraka aminareo. 15 Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo, mba hitomboan'ny fisaorana ho voninahitr'Andriamanitra noho ny fitombon'ny fahasoavana amin'ny maro. 16 Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan'andro isan'andro kosa ny toetray* anatiny.[*Ny olonay] 17 Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay, 18 raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.

Ny asa fitoriana ny Filazantsara

1- Manafaka amin’ny herin’ny fahavalo (and 7-12)

Ny mpanompon’Andriamanitra izay mitory ny Filazantsara sy mampandroso ny fanjakany dia manam-pahavalo manohitra azy, dia ny devoly izany. Handrava ny asan’ny satana no iraka ampanaovina azy, ka tsy maintsy hifanandrina mafy aminy. Amin’ny maha olombelona dia voafetra ihany ny heriny, toy ny « vilany tany » (and.7) tsy misy vidiny, sady mora vaky sy mora simba; saingy ilay Filazantsara izay inoany sy ambarany kosa dia tsy teny fotsiny, fa herin’Andriamanitra tsy hay tohaina miasa ao anatiny ka miaro sy manafaka azy amin’ny sakantsakana rehetra. Hoy indrindra i Paoly raha manambara izany: « Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo; enjehina, nefa tsy nafoy, potraka, nefa tsy maty; mitondra ny fahafatesan’i Jesosy mandrakariva ao amin’ny tena izahay…’

2- Manavao ny toe-panahy (and.16-18)

« Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan’andro isan’andro kosa ny toetray anatiny » (and.16). Ny « toetra ivelany » dia entina hilazana ny vatana mety iharan’ny fahoriana sy ny fahafatesana; ary ny « toetra anaty » kosa dia milaza ny fiainam-panahin’ny Kristiana, manana finoana an’i Kristy izay efa nandresy ny fahafatesana. Ny vatana no mihaosa sy mihalevona, fa ny fiainam-panahy kosa dia mihavao hatrany hatrany satria manana fifandraisana tsy tapaka amin’i Kristy. Io fihavaozana ara-panahy io no ahafahan’ny mpino hampiorina ny fanantenany ny fiainana mandrakizay any an-danitra ka hahatsapany fa tsinontsinona sy zavatra mandalo vetivety ihany ny fahoriana iainana eto amin’izao tontolo izao.

Fanontaniana:

Inona avy ireo sakantsakana amin’ny fitoriana ny Filazantsara?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Jesoa manangana ny maty

Alakamisy, 3 Septambra 2026

Jesoa manangana ny maty 1- Mamelona ny finoana sy ny fanantenana Izy (and.25-28) Ao anatin’ny…

Ny olona miasa amin’ny finoana

Alarobia, 2 Septambra 2026

Ny olona miasa amin’ny finoana: Ny Soratra Masina anio dia mampahatsiahy an’i Noa, lehilahy iray…

Meteza hiasa amin’ny finoana.

Talata, 1 Septambra 2026

Meteza hiasa amin’ny finoana. 1- Aza mifampiandany (and.1-3) Nisy fizarazarana sy fifampiandaniana tao amin’ny Fiangonana…