Mahatoky amin’ny asany ny mpino

Mofonaina anio: Alahady, faha 16 Aogositra 2026

Sal. 119:65-72 / Hira 445.1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 480:3

Efesiana 2,8 - 10
8 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; 9 tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha. 10 Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.

Mahatoky amin’ny asany ny mpino.

1- Tsy manao izany ho fahazoam-pamonjena (and.8-9)

Ny famonjena dia « asa » efa vitan’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazofijaliana (Jao, 19:28,30). Atolotr’Andriamanitra maimai-poana ho an’izay mino ny Zanany Lahitokana izany famonjena izany. io ilay antsoina hoe: « Fahasoavana ». Noho izany dia tsisy ezak’olombelona azo atao hahazoany io famonjena io. Koa raha miasa isika, manao asa fanompoana, dia tsy hafa fa efa valin-tenin’ny finoana, vokatry ny finoana, setrin’ny finoana, satria nahazo famonjena. Izany hoe: miasa isika satria voavonjy, fa tsy hoe: miasa isika mba ho voavonjy.

2-Manao izany ho araka ny tian’Andriamanitra (and.10)

Ny teny hoe: « voaforona » eto dia milaza fahariana vaovao mihitsy. Hoy i Paoly manamafy an’izany: « …efa lasa ny zavatra taloha… » II Kor, 5:17. Ny hoe: « hanao asa tsara » kosa dia mampahatsiaro ny fomban’Andriamanitra sy ny kalitaon’ny asany, izay nofintinin’ny Mpanao salamo hoe: « sady Tsara lanao no Mpanao ny tsara » (Salamo 119:68)

Izany toetra sy kalitao maneho hatsarana izany no tokony hananan’ny mpino eo am-panatanterahana ny asa fanompona an’ Andriamanitra mba ho tsara sady ankasitrahin’ny Tompo.

Samia àry isika mitoetra mahatoky (tsy miovaova) amin’ny asa fanompoana, ka tsy hanao izany ho filan-javatra na fitadiavam-pamonjena. Tandrovy ny fahatsarana mifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra ho fanehoana ny voninahiny.

Fanontaniana:

Inona avy ireo asa fanompoana tanterahinao? Misy tokony hohatsaraina ve?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Rehefa tsara fototra ny finoan’ny mp...

Asabotsy, 15 Aogositra 2026

Rehefa tsara fototra ny finoan’ny mpino iray: 1. Mahatoky amin’izay ataony izy (and. 12) Mampirisika…

Ny mpino mahatoky

Zoma, 14 Aogositra 2026

Ny mpino mahatoky 1. Tsaraina amin’ny teniny Manan-danja sy hery lehibe ny teny eto amin’ity…

Ny mpanompo mahatoky

Alakamisy, 13 Aogositra 2026

Ny mpanompo mahatoky 1. Manana zo hahazo fanohanana (and.13-14) Araka izay hita any amin’ny Testamenta…